Mirongatra izay tsy izy indray ny asan-dahalo any amin’ny distrikan’i Sakaraha sy Ankazoabo atsimo amin’izao fotoana izao. Tamin’ny zoma 13 may 2016 lasa teo maraina dia notafihin’ny dahalo ny tanàna antsoina hoe Andranolava ao Sakaraha. Ombin’ingahy Ben’ny tanàna miisa 70 no lasan’ny dahalo 80 lahy. Raikitra ny ady ka zandary iray no maty ( zanaky ny anabavin’i Régis) izay “officier de coordination”-n’ny zandary ao Betioky. Misy koa ny zandrin’ny ben’ny tanàna ao Andranolava no maty. Lasan’ny dahalo daholo ny omby 70, ireo ka nihazo ny tanànan’i Berenty ao Sakaraha ny diany. Koa satria misy ny antsoina hoe “dinabe” izay atao fokonolona any amin’ity toerana ity amin’izao fotoana izao izay hiadiana amin’ny asan-dahalo, dia nivory tao Ankazoabo ny mpanao dina avy ao Ankazoabo sy Sakaraha tamin’ny alahady faha 15 may 2016 lasa teo. Hitady ny omby sy hihaza ireto dahalo ireto no tapaka tamin’izany. Nanampy azy ireo koa ny avy amin’ny mpitandro ny filaminana izay nahitana zandary sy polisy. Miisa 70 no zandary tamin’izany, hoy hatrany ny loharanom-baovao azonay. Ny alatsinainy faha 16 may 2016 dia nandeha tao amin’ny tanàna tao Iboana izay misy ny depiote Mara Niarisy ireo olona ireo. Avy amin’io toerana io no hiangan’ny fanafihana hataon’ny mpanao dinabe ity miaraka amin’ny zandary sy polisy ireo. Ny tanàna antsoina hoe Ankaboka no hotafihina satria mandeha ny fitsikolovana fa ity tanàna ity no nisy ireo dahalo ireo. Natory tao amin’ny tanàna antsoina hoe Amberomena izy ireo ny alin’ny faha 16 may io. Avy hatrany dia nanafika ny vahoaka miisa 600 sy ny mpitandro ny filaminana miisa 70 ireto omaly maraina faha 17 may 2016. Rehefa tonga teo amin’ilay tanàna antsoina hoe Ankaboka izy ireo dia tsy nahita olona intsony na iray aza. Nojerena koa ny tao an-trano dia tsy nisy entana sy zavatra hafa intsony, foana tanteraka ity tanàna ity. Trano miisa 20 eo ho eo no tao amin’ity toerana ity. Tapaka ny hevitra fa hodoran’ny mpitandro ny filaminana sy ny mpanao dinabe ilay tanàna. Raha mbola variana teo ampandoroana ny tanàna ireto olona ireto dia voahodidin’ny dahalo izy ireo ka tifitra vary raraka amin’ny alalan’ny basy kalaky sy basy hafa no niandry azy ireo. Namaly ny mpitandro ny filaminana kanefa dia maty tamin’izany ny dahalo 2 lahy ary nahafatesana iray koa ny mpanao dinabe. Samy nanavotra ny ainy aloha ny rehetra. Tamin’izay fotoana izay no tsy hita ny kaomandàn’ny kaompanian’ny zandary ao Ankazoabo Atsimo sy ny lefiny iray ary zandary 5 hafa sy polisy iray. Hatramin’ny fotoana nanoratanay ity lahatsoratra ity dia mbola tsy nahenoana vaovao izy ireo na maty na velona. Raha ny loharanom-baovao dia hisy ny fandefasana miaramila sy zandary indray hanampy ireto zandary sy polisy ireto ho any Ankazoabo Atsimo sy ny faritra atsimo iny.
Isan’ny niteraka resabe teto amin’ny firenena ny fanafihana nataon’ny dahalo tao Ankazoabo tamin’ny volana 8 septambra 2015 lasa teo iny ka nahafaty mpitandro ny filaminana 8 lahy. Nampangaina tamin’izany ny depiote ao Ankazoabo ary norobaina ny ombiny miisa 300 mahery izay nataon’ny fanjakana. Raha nisy ny adin’ny parlemantera sy ny miaramila tamin’iny fotoana iny ary ny lehiben’ny distrika sy ny fitsarana tao Ankazoabo ary ny fianakavian’ity depiote ity. Mitranga indray izao ny fanafihana mitampiadiana ao Ankazoabo atsimo. Ingahy Mara Niarisy moa dia nampangaina ho dahalo tamin’iny raharaha 2015 iny noho ny maha mpanohitra azy ny zavatra tsy nety nataon’ny fanjakana tamin’ny fitondrana izao. Inona indray no ho filaza amin’ity raharaha ity, fa mitranga indray ity ny olana. Iza indray no hampangaina sy horobaina ny fananany ? Ny zava misy dia mbola miriaria amin’izao fotoana izao ilay karana izay voalaza fa isan’ny olana amin’ny asan-dahalo Ankazoabo ao.
Any amin’ny faritan’i Fianarantsoa koa dia nifanafika ny olona tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambatovita sy Ankasina tao amin’ny kaominina Mandrosonoro ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana tamin’ny herinandro lasa teo iny. Resaka omby hatrany no ifanafihana amin’izany. Vokatry ny ady dia olona telo no maty. Any amin’ny distrikan’i Manandriana dia saika ho isan’andro no fanafihan-dahalo amin’izao fotoana izao, ka tsy mifidy izany na andro na alina ka faty olona isan’andro no misy amin’ity toerana ity amin’izao fotoana izao.
Izany no azo lazaina ny fankalazana ny herinandro amin’ny pentekosta ity amin’izao, tsy hita izay vaha olana ataon’ny fanjakana. Taratrin’ny tsy fandehan’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina intsony izao raharaha any Ankazoabo sy Sakaraha izao.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao