Ny kaominina ambanivolo Anosy Tsararafa, ao amin’ny distrikan’i Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana, no nosafidian’ny fikambanana Kmf /Cnoe hanatanterahana ny tetik’asa fampandraisana anjara ny mpiara-belona hiara-hientana amin’ny fampandrosoana ny kaominina. Ny 12 ka hatramin’ny 14-n’ny volana may lasa teo no nanaovana ny atrik’asa tao amin’ny efitra famakiam-bokin’ny kaominina ao an-toerana ny fikaonandoha izay nandraisan’ny ben’ny tanàna anjara, solontena avy amin’ny mpanolotsaina ny tanàna, ireo sefo fokontany folo mandrafitra ny kaominina ary solontenam-pikambanana misy ao an-toerana.

« Fitsinjaram-pahefana, fitondrana tsara tantana, fandraisana andraikitra sy fifarimbonana ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina » no lohahevitra ary nisy ihany koa ny fijerena horonan-tsary maneho ny ohatra fakan-tahaka amina kaominina voafantina. Navitrika tokoa ireo mpandray anjara ary samy niaiky fa sambany nisy zavatra sahala amin’izao ka tao anatin’ny fifanajana tanteraka no nizoran’ny atrik’asa izay namoahana fehin-kevitra hoentina mampandroso ity kaominina izay nosafidiana tao anatin’ny maro ity. Ramatoa Tsiafohy ben’ny tanàna dia nisaotra amin’ny fisafidianana ny kaominina iandraiketany ary nampanantena fa hanao izay tratra hampisy ny fitondrana tsara tantana . Dingana amin’izany sahady hoy izy ny fametrahana amin’ny peta-drindrina ny teti-bolan’ny kaominina mba ho fantatry ny vahoaka rehetra. Tsy mianona amin’ny fiandrasana ny fanampiana avy amin’ny fanjakana ry zareo fa mikaroka ny fomba hampidiram-bola hahafahana mampandeha ny asa. I Jeky izay solontena avy amin’ny mpandray anjara dia nanamarika fa tsy mora ny adidy miandry aorian’izao atrik’asa izao fa hiezaka izy ireo amin’ny fifampiresahana sy fifandresedahatra hametrahana ny laharam-pahamehana ka hahazoan’ny rehetra tombontsoa. Tsikaritra tamin’ity atrik’asa ity ny tarainan’ireo fokontany lavitry ny renivohitry ny kaominina izay tsy mahazo firy amin’ny fotodrafitr’asa ary manakiana koa ry zareo fa milatsaka eo anivon’ny renivohitry ny kaominina aby ny fotodrafitr’asa ka tsy manao ezaka izy ireo amin’ny fikojakojana satria tsy niady firy . Ny mahamora ny fanatanterahana sy ny fifamezivezena no tanjon’ny tompon’andraikitry ny tetikasa ka very ireo lavitra araka ny fiteny hoe lavitry ny maso, lavitry ny fo. Mbola mitohy ny asa, hoy ny sampana Kmf/Cnoe Farafangana, Rambeloson Hasina, fanombohany izao fa mbola hifanerasera ary nanamarika koa izy fa ho fanamafisana ny fanentanana dia misy ny fandaharana hiharahana amin’ny radiô diosezin’i Farafangana ho fampandraisana anjara ny rehetra amin’ny fampandrosoana ny kaominina fa tsy natokana ho an’ny olom-boafidy ihany izany andraikitra izany. Nanome voninahitra ny fotoana ny mpandrindram-paritra Ranaivoson Guy Stanislas sy ny Seketera jeneraly avy amin’ny foibe Patricia Raharisoa Marilaza.

Morasata Marc