Tsy mety hilamina ny fandehan’ny raharaham-pirenena eto amintsika eto. Tsy mety hitsahatra ny fitokonana etsy sy eroa, ary raha ny fikasan’ny ao amin’ny Afo sendikaly aza dia hiroso amin’ny fampikatsoana ny asam-panjakana mihitsy ry zareo, taorian’ny nahataperan’ny fe-potoana nomen-dry zareo ny fitondram-panjakana mba ho namaliana ireo fitakiany.

Mba eo daholo ihany anefa ny fitokonana sy ny fitakiana fa tsy aritra kosa ny tsy hiresaka ny momba ny an-dry zareo mpampianatra. Mitokona koa mantsy ry zareo ireo, mitaky ny tombontsoany. Taorian’ny andron’ny Repoblika voalohany, izay fantatra fa mpampianatra no filohany, dia tsy nitsahatra ny nitontongana ny fiheverana izany atao hoe mpampianatra izany. Ankehitriny izao, na samy mpiasam-panjakana mitovy fianarana vita sy diplaoma ananana aza dia tsy mitovy ny karama fa ny an’ny mpampianatra no ambany indrindra. Tsy vitan’izany ihany fa na ny resaka tambin-karama koa aza dia lavitra ny azon’ireo mpiasa hafa ireo no omena ny mpampianatra. Raha tsy hiresaka afa-tsy ny tambiny ho amin’ny hofan-trano, na ny “indemnité de logement”, ohatra, dia ampahafolon’ny an’ny mpitsara no azon’ny mpampianatra. Ny tambiny amin’ny fitsarana ny fanadinam-panjakana, izay sady efa kely dia kely, dia tsy azon-dry zareo raha tsy anaovana fitokonana sy fandrahonana ny tsy hitsara ny fanadinana ho avy, ny herintaona aty aoriana. Rariny ve izany ê?...

Ny fanontaniana àry dia ny hoe tsy azon’ny mpitondra nifanesy taty aorian’ny Repoblika voalohany an-tsaina àry ve, sa odian’izy ireo tsy fantatra, fa tsy misy firenena vanona raha tsy misy ny mpampianatra ê? Hadinon’izy ireo ve, sa odian’izy ireo hadino, fa nandalo tamin’ny sekoly sy ny mpampianatra izy ireo vao tonga amin’ny toerana misy azy ê ?... Asa ?

Ho aiza àry ity firenena ity raha tsy hisy intsony ny hampianatra ê?... Mipetraka ny fanontaniana satria rehefa mba anontaniana izay asa tiany hatao any aoriana any ny ankizy amin’izao fotoana izao dia tsy misy ny milaza fa maniry ny ho mpampianatra, eny na ireo zanaka mpampianatra aza. Izany no mahatonga ny zavatra iainana amin’izao fotoana izao: mpampianatra tsy niofana, tsy nivonona ho amin’io asa io, no maro amin’ireo hita any an-tsekoly any, dia ireo mpampianatra Fram izany. Ho avy tahaka ny ahoana sy taranaka toa inona no antenaina amin’izany ê ?...

Resahina daholo izany rehetra izany, ary ao ny tsy voatanisa, satria raha ny vaovao re dia efa nahazo ny fandrahonana amin’ny fanapahana ny karamany indray ireo mpampianatra mitokona ireo. Pempoina koa izy ireo ny amin’ny hoe manimba ny ho avin’ny mpianatra, hono, fa efa ho avy ny fanadinana kanefa izy ireo tsy mampianatra. Mitokona… mitaky ho avy tsaratsara kokoa ho azy sy ho an’ny taranaka fara aman-dimby. Nahoana izy ireo no atao an’izany ê ? Ary nahoana ny hafa no tsy sahy atao toa ny anaovana azy ireo ?...

Mazava ho azy moa fa dia misy ny mikemotra, araka ny fitenenana, satria ilay karama efa tsy mahatody faran’ny volana iny ve no mbola hotapahina indray… dia ho aiza sy hihinana inona ny vady aman-janaka ê ? Ao koa ireo zara fa nahita an’io asa tsy nila fianarana sy fiofanana io koa dia… aleo milefitra sao, sanatria, hiafara any amin’ny fandroahana ny raharaha…

Izany rehetra izany no ilazana ny hoe tena faralahin’asa ny fampianarana, raha ny eto amintsika. Sady kely karama no tsy misy tambiny sy tombony hantenaina fa dia zara aza manana azy ê.

Faralahin’asa !

Lalou