Tapitra tamin’ny zoma teo ny 72 Ora nomen’ny vondron’ny sendikan’ny mpiasa miara-dia ao anivon’ny Afo Sendikaly, izay nitakian’izy ireo ny fitondram-panjakana hamerina amuin’ny asany ireo mpiasam-panjakana noroahina noho ny antony fanehoan-kevitra nitakian’izy ireo ny zony, na noho ny halako bika tsy tiako tarehy teo amin’ny tompon’anadraikitra miahy mivantana an’ireny mpiasa ireny na antony politika koa.

Navelanay hanao ny fetin’ny pentekaosta ny vahoaka aloha ka vita iny ny fety dia miteny indray izahay fa na mpiasa iray aza tsy naverin’ny fanjakana amin’ny asany, araka ny fitakianay, hoy Ratolojanahary Maharavo (Doudou) omaly.

Hitanay koa fa toa tsy mihetsika ny Bianco mba manao famotorana na fanadihadiana ka miantso anay amin’ny fitoriana nataonay ; hoy ihany izy. Etsy ankilany, misy koa ny antontan-taratasy vaovao hafa izay voarainay Afo Sendikaly, izay voatonona anarana mivantana mihitsy ny tompon’antoka taminy, ka hiditra amin’ny dingan’ny fitoriana mivantana manondro anaran’olona tompon’andraikitra tamin’ny heloka nitranga izahay

Ankoatra izay, tsy hanaiky lembenana ka sanatria harirarira eto izahay, hoy hatrany Ratolojanahary Maharavo Doudou, satria ny ho avin’ny fiainam-pirenena no lasa sorona amin’ireo mpanao kolikoly avo lenta ireo sy ny mpiray tsikombakomba aminy fa ny mpamatsy vola avy any ampita tsy hanaiky hilefitra koa dia tsy maintsy miditra amin’ny dingana ambonimbony indray ny Afo Sendikaly.

Tsy hanaiky lembenana mihitsy ny mpamatsy vola iraisampirenena, hoy izy, izany hoe tsy hanokatra ny famatsiam-bolany ho an’i Madagasikara, ka tsy azo leferina izany satria ny ataon’olom-bitsy no mahalasa sorona ny vahoaka.

Ho anay Afo Sendikialy, araka ny fanampim-panazavan-dRatolojanahary Maharavo, dia tsy afaka hamela ny vahoaka sy ny firenena ho sorona amin’izany izahay satria ao anatin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy ny mpiasa amin’ny ankapobeny. Tsy maintsy hanohy ny hetsika izahay ary hanainga hatrany ny olompirenena sy ny rafitra isan-tokony amin’ny alalan’ny «herivelon’ny firenena » mba samy handini-tena dia handray ny andraikitra tandrify azy avy fa famotehana ny firenena ary hotsarain’ny tantara isika raha mijery fotsiny izao zava-misy mampikatso sy manakenda ny fiainam-pirenena izao.

Ralay