Depiote telo no nanao fanambarana raha nitafa taminay omaly, tetsy amin’ny antenimierampirenena. Raha ny nolazain’izy ireo dia tokony horavaina amin’izay ity andrimpanjakana ity fa tsy mahavita ny asany intsony. Depiote avy any amin’ny faritra Antsohihy ny iray, ny faharoa avy any Atsimo Andrefana ary ny iray farany dia avy any Menabe. Milaza izy ireo fa efa maro ny depiote no mitovy fijery amin’izy ireo amin’izao fotoana izao. Mahatsapa ireto depiote ireto fa tsy afaka manao fanaraha-maso ny governemanta intsony ny depiote ankehitriny, araka ny andraikitra didin’ny lalàna hataony. Ny fanambarana an-gazety dia milaza tsy tapaka, hoy ireto depiote ireto, ny milaza ny kolikoly sy fanodinkodinam-bola ataon’ny mpikambana ao anatin’ny governemanta tao anatin’ny volana roa teo izay. Isan’ny tafiditra amin’izany ny praiminisitra lehiben’ny governemanta. Minisitra maro hafa koa no voalaza sy nametrahana porofo tamin’ireny lahatsoratra an-gazety ireny. Mbola misy koa ny fanambarana ampahibemaso nataon’ny Afo sendikaly mahakasika ireo raharaha ireo tamin’ny parlemantera roa dia ny antenimierandoholona sy ny antenimierampirenena. Hatramin’izao anefa dia tsy misy mihetsika ireto depiote na senatera ireto fa mijery fotsiny izany. Dia azo lazaina fa tsy mahavita ny asany izany izahay ireto ka tokony horavaina satria mamita-bahoaka. Tsy ny resaka kolikoly sy ny fanodinkodinana ny volam-panjakana ihany no tsy vitanay ny manaramaso azy amin’ny raharaha ataon’ny governemanta, hoy ireto depiote ireto, fa hatramin’ny fanodinkodinana andramena na “bois de roses” sy harem-pirenena hafa izay aondran’ny mpikambana ao amin’ny governemanta an-tsokosoko, nefa dia mbola tsy misy mihetsika hatrany ny ato amin’ny antenimierampirenena. Torak’izany koa ny mahakasika ny resaka rongony tany Ihosy farany teo. Iza intsony, hoy ireto depiote ireto ihany, no tsy mahalala ny raharaha ataon’i Claudine Razaimamonjy sy ny mpikambana maromaro ao amin’io governemanta io amin’ny fanodinkodinana ny volam-bahoaka, nefa dia mijanona tsy misy miteny izahay. Ny tena olana, hoy ireto depiote ireto, dia ny filohan’ny Antenimieram-
pirenena Jean Max Rakotomamonjy sy ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny birao maharitr’ity antenimierampirenena ity. Tsy mahasahy mandray fanapahan-kevitra amin’ny alalan’ny lalàna mifehy ny antenimierampirenena intsony. Efa tokony haongana io birao io, ary efa nisy fivoriana nataon’ny depiote manokana momba izany tamin’ny fiantombohan’ity fivoriana ity nefa dia tsy nisy tohiny izany. Ny tombontsoa azon’izy ireo anefa dia avo telo heny noho ny azon’ny depiote tsotra. Ny depiote ato Tsimbazaza koa hoy ireto depiote nanao fanambarana sy nitafa taminay ireto dia baikoin’ny vola kely sy ny “malety” izay omena azy ireo isaky ny misy zavatra handraisana andraikitra ato. Tsy mety intsony izao, ary tokony horavaina amin’izay ity andrimpanjakana ity. Ny tena olana manaraka izany koa dia io HCC (Fahefana avo momba ny Lalàm-
panorenana) io. Izy ireo no isan’ny nampandamoka ny fanaraha-maso ataon’ny depiote tamin’ny tsy fanajana ny Lalàmpanorenana tamin’ny tsy fanatanterahana ny fampiatoana ny filoham-pirenena tamin’ny asany tamin’ny volana jona sy jolay 2015 lasa teo iny ka nampanao ilay “pacte de responsabilité” na ny dinan’ny fiaraha-miasa izay tsy notanterahin’ingahy Hery Rjaonarimampianina hatramin’izao… ary dia mbola mijery fotsiny izany koa ity HCC ity. Mitanila io
ka tsy mety intsony. Tompon’andraikitra koa ity HCC ity ka tokony horavaina koa ka hovaina ireo olona mpitantana ao amin’ny birao ireo, hoy hatrany ireto depiote ireto.
Izany rehetra izany no efa zava misy ao amin’ny Antenimierampirenena ao Tsimbazaza ao ka inona intsony no azo antenaina amin’ity fanjakana amin’izao fotoana izao ity? Rehefa ny ao anatiny no mahatsapa izany dia inona moa no tsy tokony hanatanterahana izany ?
Nangonin’i
Jesy Rabelaolao