Nanomboka tamin’ny alarobia faha 18 may 2016 tamin’ny 5ora sy sasany hariva dia miaramila efatra kamiô no niditra tao amin’ny foiben’ny RNM (Radiom-pirenena Malagasy) sy ny TVM (televizionina nasionaly Malagasy) etsy Anosy. Niditra avy hatrany tany anatin’ny trano ny miaramila roa kamiô. Ny ambiny kosa dia nijanona taty ivelan’ny trano. Miaramila toa ny handeha hiady ireny no hita teo amin’ity toerana ity hatramin’ny 8 ora alina. Raha ny loharanom-baovao azo tamin’ireo miaramila ireo dia misy mitady hanafika sy hanongam-panjakana hono. Noho izany dia nambenana mafy ireo toerana ireo. Ny miaramila iray izay manao fanamiana sivily aza, raha tafaresaka taminay, dia nilaza fa nisy izany “gros bras” izany hono no nisy nanome vola ka hanafika ny toerana. Raha nanontaniana indray ny mpiasa avy amin’ireo haino aman-jerim-panjakana ireo dia nilaza fa tsy misy na inona na inona ao. Inona marina izany no tena dian’ireto miaramila ireto teny an- toerana ?...
Raha tena fanonganam-panjakana marina no hatao dia azo lazaina fa tsy dia lehibe noho ny toby miaramila sy ny lapam-panjakana ny ao amin’ny Rnm sy ny Tvm ao Anosy. Efa maro koa ny hainoaman-jery tsy miankina no efa mahasahana an’i Madagasikara izay azo anaovana fanambarana. Mbola toerana iray stratejika koa noho ity toerana ity ny eny amin’ny seranam-piaramanidina. Mandeha koa ny resaka fa misy ny miaramila manangana tsaho ka milaza fa misy fanonganam-panjakana. Raha vao maheno izany ny mpitondra amin’izao fotoana izao dia matahotra ka manome vola ny miaramila ireo mba hiarovany izany. Amin’izao fotoana izao dia maro ny fihetsiketsehana politika sy sendikaly etsy sy eroa maneho ny tsy fahafaliany amin’ny fitondrana ankehitriny. Azo araraotina hanindriana ny fihetsiketsehana toa ireny ny fanaovana tsaho toy izao ho famonoana afo. Ny fitondrana efa lany bala tsy mahavaha olana intsony eto amin’ny firenena ka mitady izay hevitra hamiliviliana ny sain’ny vahoaka fotsiny sisa. Mampieritreritra ny filazana tampoka iny fa hisy hanongana fanjakana indray. Hatrany Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo avy no nohamafisina ny fiambenana azy omaly. Lany andro amin’ny fandrebirebena saim-bahoaka fotsiny ny fanjakana ka manao izay hameriverena ny saim-bahoaka isan-karazany mba hitazonana fanjakana elaela sisa. Nahoana no amin’ny tsy maha eto ny filoham-pirenena izay voatery tsy maintsy nihazo an’i Singapour ka hiatrika ny olana mahakasika ny raharaha andramena ity no andefasana izao tsaho izao? Raha tsara ny fitantanana sy ny fitondrana ny fanjakana Malagasy amin’izao Repoblika fahefatra tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina izao dia azo antoka fa tsy hisy ny eritreritry ny Malagasy amin’izany fanonganam-panjakana izany.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao