Mampametra-panontaniana ny maro ny tena pôlitikan’ny mpitondra amin’izao fotoana izao ny amin’ny hamoahana ny firenena amin’izao fahasahiranana mianjady aminy izao. Tranga maromaro no mahatonga izany fanontaniana izany, kanefa tsy ho àry ho voaresaka eto daholo koa dia izay tena mivandravandra no holazaina.

Vao ny talata teo no “vaovao” nisarika ny sain’ny maro ny momba ilay fiaramanidina nidaboka tany Toamasina. Fiaramanidina saika ho nampiasaina hanampy ny mpitandro ny filaminana any atsimo, dia ireo miady amin’ny dahalo, hono, izy iny, ary manamboninahitra ambonin’ny tafika frantsay no nanamory azy no iny izy tra-doza iny. Mba nahagaga ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ihany ny amin’izany, satria iaraha-mahalala fa efa manana angidimby isika, ary raha tsy diso ny fitadidiana dia toa ny hoentina miady amin’ny dahalo no nividianana azy izany. Hatramin’izao anefa dia ny nanao “fampisehoana” teny Mahamasina sy ny nisidina teny ambonin’ny fiarakodia nitondra an’ingahy Ban Ki-moon no hita fa “asa” nataony. Mazava ho azy ny fanontaniana dia ny hoe fa maninona àry no tsy nampiasaina ny efa azo fa nanafatra fiaramanidina “nitsingidina ho azy” avy any ivelany indray ê?... Tsy mahavoa ve ireo mpanamory fiaramanidina eto amintsika no vazaha no nohafarana hitsirika ny zohy fieren’ny dahalo any atsimo?... Raha ny hitamaso anefa dia maro be ireo jeneraly milanja kintana ao amin’ny foloalindahy ao, ary misy ao amin’ny tafika an’habakabaka izy ireo…

Ohatra iray koa ny momba ny nanomezana ho an’ny orinasa vahiny Symbion power ny fanarenana ny simba ao amin’ny Jirama. Firy volana izay no efa voasonia ny fifanarahana tamin’io orinasa vahiny io, ary inona no vitany teto?... Tsaroan’ny rehetra anefa fa efa nanolo-tena fa handray andraikitra amin’ny fanarenana ireo milin’ny Jirama ireo ny mpiasa tao aminy, ary efa nanangom-bola ho amin’izany mihitsy aza. Tsy nahoan’ny mpitondra antsika anefa izany fa ny ho nanolotra ny Jirama, orinasam-panjakana, ho an’ny Symbion power ihany no nataony amboletra. Tsy vitan’ny teknisianina gasy ve ny nanamboatra ny simba tao amin’ny Jirama ka tsy maintsy “namidy” tamin’ny vazaha izy io ê?...

Mbola eo koa ny raharaha Air Madagascar, izay nanomezana ny fitantanana azy an’ilay rangahy kanadianina. Iarahan’ny rehetra mahita koa izao fa mbola vao maika niha nikororosy io kaompania nasiônaly io ary re fa efa nanaovana tolo-bidy tany ivelany tany koa no niafarany. Mba manana manam-pahaizana amin’ny fitantanana orinasa ihany anefa isika malagasy, ary efa niady mafy amin’ny handraisany andraikitra amin’ny fitantanana sy fanarenana an’io Air Madagascar io koa ireo mpiasa ao aminy, saingy dia izao iaraha-mahita izao no niafarany ê…

Ny fanontanian’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena dia ny hoe inona daholo no ao ambadik’ireo rehetra ireo, sy ny hafa tsy notanisaina ê?... Ny mpanao pôlitika sasany no milaza ny hoe endrika isehoan’ny fivarotana ny tanindrazana daholo ireo tranga ireo. Mety ho marina izany, kanefa alehan’ny saina koa ny hoe nahoana no tsy nomena ho nataon’ny malagasy ireo fanarenana rehetra ireo? Nahoana koa ny heverina ho teknisianina malagasy no manaiky an’ireo fandehan-javatra ireo?...

Tsy mahagaga ny fanontanian’ny mpanao vazivazy zary tenany manao hoe “nandra daholo àry ve izany ny gasy ê?”

Lalou