“Tsy maty manota sady mpanao kolikoly avo lenta ao an-dapa”. Io no fehezan-teny ahafantaran’ny maro an-dRtoa Razaimamonjy Claudine sy Rtoa Rajaonarimampianina Voahangy, miaraka amin-dRtoa Me Nicole Andrianarivoson sy Rtoa Herisoa, izay samy ao an-dapan’i Mavoloha, mpanapaka sy mpandidy amin’ny raharaha ankapobeny ao.

Maro ny feo mahoraka momba an-dRtoa Razaimamonjy Claudine manokana, ka isan’izany ny hoe “miankina amin’ny herin’ny maizina izy io ary lalaoviny amin’izany ny manam-pahefana ara-panjakana eto dia manjakazaka tsy misy ohatr’izany eo anivon’ny seha-pitantanan-draharaham-panjakana ambony izy”.

Omaly, ohatra, dia notsikafonin’ny Loholon’i Madagasikara Lylyson ny endrika iray isehoan’io maha-olona manana fahefana toa ankoatry ny tompon’andraiki-panjakana ambony azy io eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Raha ny didy aman-dalàna misy tokoa dia tsy hita soritra any anivon’ny rijan-teny isan’

ambaratonga ny fahefan-dRtoa Razaimamonjy Claudine. Tsy tonian’ny sampan-draharaham-panjakana (chef de service) izy, tsy tale (directeur), tsy sekretera jeneraly, tsy mpanolotsaina any anivon’ny ministera na any amin’ny fiadidiana ny Repoblika… nefa dia omen’ny fanjakana mpiaro manokana (garde de corps) avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana (Zandary), hoy ny kolonely Lylyson. Mahalasa fisainana izany, hoy izy, satria ny vahoaka potiky ny olon-dratsy sy ny jiolahy mbamin’ny malaso nefa tsy ahitana mpitandro ny filaminana mba miaro ny ainy sy ny fananany fa olona mpanao kolikoly avo lenta efa torian’ny olona eny amin’ny Bianco sy ny fitsarana indray no lasa arovan’ny mpitondra amin’ny zandary izay tokony hiaro ny vahoaka. Na ny tenako izay loholon’i Madagasikara sady manamboninahitra ambony eo anivon’ny zandary aza dia tokony mba hanana mpiaro avy amin’ny zandary koa saingy tsy omena izany nefa Rtoa Razaimamonjy Claudine dia afaka misitraka izany, hoy ihany izy. Tsy hoe miady fo na mangataka mpiaro aho, hoy hatrany ny Kolonely Lylyson, fa fampitahana no tiako hosoritana, ary hita taratra fa manana sata manoatra noho ny manam-pahefana ambony ara-panjakana mihitsy Rtoa Razaimamonjy Claudine. Fanohanana azy sy fiarovana azy amin’ny ratsy ataony eto amin’ny firenena izany, hoy ihany ity Loholon’i Madagasikara ity, ka heveriko fa isan’ny fanetriben’ny firenena izy.

Izany ve dia hoekena ary ny vahoaka ve dia handefitra ny amin’izany, hoy izy?

Nomarihin’ny kolonely Lylyson koa omaly fa misy mpitondra fanjakana tafiditra ao anatin’ny vovon’ny vahiny mitetika ny hampifandrafy sy hampiady ny samy Malagasy amin’ny adim-pinoana (guerre religieuse) eto. Notantarainy ny endrika nisehoan’izany. Nanatona an-dRtoa Rajaonarimampianina Voahangy ny iraka manokana avy amin’ireo silamo mahery fihetsika avy any amin’ireo firenena arabo tena mpanao asa fampihorohoroana. Ny hanangana toeram-pivavahana silamo eto no isan’ny tarigetran’izy ireo, ka nalefan-dRtoa Rajaonarimampianina Voahangy tany amin’Ingahy Mahafaly Olivier Solonandrasana, fony izy mbola minisitry ny atitany. Dia nisy ny “takalom-patsa vidim-pihinanana” ka nahazo alalana hanangana trano fiangonana silamo hatramin’ny 2.000 eto Madagasikara izy ireo, hoy hatrany ny loholona Lylyson. Efa manomboka miseho any amin’iny faritr’i Manakara iny izany, ary misy an’ireo ambara fa “mpaminany” na “mpitondra fivavahana “silamo” izay isan’ireo silamo mahery fihetsika, hoy ihany ny kolonely Lylyson, efa tonga eto, ary an-jatony izy ireo, ka mampianatra ny foto-pinoana silamo no voambara fa foto-diany, saingy tafiditra ao anatin’izany ny fampianarana manao asa fampihorohoroana amin’ny alalan’ny fanaovana vy very ny aina (kamikaze).

Nofaritan’ny kolonely Lylyson fa “tsy manohitra na mitsipaka ny fahalalahana mivavaka sy ny tokony hananan’ny tsirairay finoana araka izay maharesy lahatra azy ny tenako na kristiana izy na silamo na boudista na mitana ny finoan-drazana, fa ny fanekena holalaovin’ny sasany amin’ny volabe nefa efa fantatra fa mikendry hanampoaka adim-pinoana (guerre religieuse) eto no tanjon’izy ireny, no tsy ekeko.”

Notondroiny ho isan’ny fanetriben’ny firenena amin’io lafin-javatra iray io koa Rtoa Rajaonarimampianina Voahangy sy ny Praiminisitra ankehitriny, Solonandrasana Olivier Mahafaly.

Voafiran’ny Loholona Lylyson ho tompon’ny fanapahana eny amin’ny fandraharahana eny amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina amin’ny maha-filohan’ny filankevi-pitondrana ny seranan-tsambon’i Toamasina koa Rtoa Herisoa, izay talen’ny kabinetra sivilin’ny filohampirenena. Izy io no  mandidy manapaka koa hatrany amin’ny fadin-tseranana na ladoany, ka mahatonga ny mpanao bizina sy afera maloto hanjaka eny, raha manao kolikoly amin-dry zareo ao an-dapa, hoy hatrany ny kolonely Lylyson.

Ralay