Iza marina no mahazo tombontsoa amin’ity fanelezana tsaho eto ity? Ny tsinjo sy tsapa aloha dia efa rano an-dravina ny mpitondra fanjakana  isan’ambaratonga matoa mikoropaka hatrany isaky ny maheno feo hafahafa.

Omaly maraina, ohatra, dia mbola nitohy tetsy amin’ny foiben’ny haino aman-jerim-panjakana ny antso vonjy (alerte) nilaza fa “hisy mpanafika ho avy hiditra an-keriny ato amin’ny foiben’ny radio sy ny fahitalavi-pirenena ka aoka handeha hivoaka avokoa isika dia hanavo-tena fa loza ity”.

Niolo-may avokoa ny mpiasa tao nangorona ny entan-keliny, ary izay nanana fiara dia namonjy namoaka haingana ny fiarany hiala lavitra ny foiben’ny Rnm sy Tvm.

Rehefa afaka ora vitsivitsy teo anefa, tsy nisy na inona na inona akory. Ny mpiasa sasany efa lasa nody, ka tsy niverina intsony. Ireo mbola nitily lavitra no niverina rehefa tsinjo fa toa milamina.

Izany no tonga amin’ilay fitenenana hoe “tsy ho faty raha tsy ianjeran-tanan-tsotro”.

Ny kolonely Lylyson moa raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly dia nanamarika an’iny tranga tamin’ny alarobia hariva teo amin’ny foiben’ny haino amanjerim-panjakana iny fa “fahalemen’ny fitondrana ankehitriny ny tsy fananany tompon’andraikitra matihanina sy havanana amin’ny fifehezana ny akon’ny fitsongoan-dia sy ny fitsikilovana na ny “service de renseignements généraux” ka mahatonga ny mpitondra fanjakana handray fepetra sy fanapahan-kevitra diso, izay tena zava-doza amin’antambo eo amin’ny fitantanana raharaham-panjakana ambony.