Mitohy fa tsy levona akory ny tolona. Io no isan’ny nambaran’ny Afo Sendikaly omaly. Nomarihin-dry zareo koa fa “mametraka ny lamina mba ho maty paika hampahomby ny tolona no ataonay sy ireo mpiara-dia aminay ao amin’ny “Afo Sendikaly” amin’izao fotoana. Efa nisy rahateo ny sehatra najoro hifanomezan’ny “Afo Sendikaly” tanana amin’ny sokajin’olona amam-pikambanana isan-karazany, dia ny “MMKT” na “Malagasy Miady amin’ny Kolikoly sy ny Tsy rariny”.
Voalazan’izy ireo omaly fa “hanohy ny fitoriana eny amin’ny Bianco sy eny amin’ny Filankevi-panjakana an’ireo nandika lalàna momba ny kolikoly sy ny fanamparam-pahefana tamin’ireo mpiasampanjakana ary amin’izay rafitra heverina fa afaka mampanjaka ny tany tan-dalàna amin’ny anaran’ity “MMKT” ity izy ireo amin’io herinandro ho avy io. Alohan’izany anefa dia tsy hijanona hanentana ny olom-pirenena Malagasy amin’ny toerana misy azy ity “MMKT” ity, ka amin’ny sabotsy (rahampitso) amin’ny 12 ora atoandro dia hampiombom-peo ny tsirairay amin’ny antsoina hoe “hiakiakam-bahoaka”, ka ny tsirairay dia samy hikiakiaka na hikapokapoka lovia na vilany any amin’ny misy azy, na hitsoka kiririoka (siflet) na hampaneno anjomara (claxon), ho an’ireo any anaty fiara.
Izany dia ho fanehoana fa tsy manaiky ny kolikoly avo lenta sy ny tsy rariny amin’ny endriny rehetra miseho eo anivon’ny fiaraha-monina, indrindra fa noho ny afitsoky ny mitana ny fahefam-panjakana ny vahoaka, hoy ny toro-marika omaly nampitain’izy ireo.
Ambondromisotra: Nahavita ny valifatiny ireo dahalo namono an’i Lôdy
Novonoin’ny olona valo lahy tamin’ny fomba feno habibiana i Rasamimanana Samuel Jean Claude izay antsoin’ny olona hoe “Lôdy”, tamin’ny alahady faha 16 may 2016. Niala tao amin’ny renivohitry ny kaominina ao Ambondromisotra ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana ity olona ity tamin’ny alahadin’ny pentekosta teo rehefa avy nijery baolina, ka hody any amin’ny tanàna antsoina hoe Fasimena. Misy elanelana 7 km eo ho eo ireto toerana roa ireto. Tokony ho tamin’ny 7 ora hariva dia novonoin’ny fianakaviana iray teny an-dalàna ity tovolahy ity rehefa nandrasany tamin’ny toerana iray mangina. Izany Menakely sy ny rahalahiny antsoina hoe Zafikely, ary ny rainy antsoina hoe Ragaly no tompon’antoka tamin’ny famonoana. Ity rainy ity dia nanakarama vola 70 000ariary ny dahalo avy any Mangataboahangy tamin’izao raharaha izao mba ho valifatin’ny zanany hono. Nisy ny dahalo dimy lahy hafa dia izany Benarivo sy ny namany avy any amin’ny kaominina Mangataboahangy izany, izay voalaza fa andian-dahalo miaraka amin’ireto olona telo mianaka ireto. Raha mijery ny tantara nisy tany aloha isika dia nananjanaka atao hoe Ndalanakely ingahy Ragaly ity. Dahalo izay nikoizana tao amin’ny faritr’Ambondromisotra ity zalahy ity. Tokony ho tamin’ny taona 2012 tany ho any no nitrangan’ny tantara. Efa nigadra in-telo ity tovolahy ity noho ny asan-dahalo ataony. Nenjehin’ny zandary ity Ndalanakely ity ka ity Lôdy ity no nahazo azy. Avy hatrany dia notifirin’ny zandary ity dahalo ity ka maty. Tezitra noho izany ireto fianakaviany ka nilaza fa tsy maintsy hamaly faty an’ity zanany sy ny rahalahiny maty ity. Nanomboka teo dia nanao vava ireto fianakaviana ireto fa tsy maintsy mahafaty an’i Lôdy ity koa. Efatra taona aty aoriana vao azon’izy ireo i Lôdy. Notsatohan’izy ireo antsy ny lohany, ny tarehiny, ny hatony ary ny felatanany. Nokapain’izy ireo tamin’ny famaky koa ny tanany iray. Avy eo dia navarin’izy ireo tao amin’ny reniranon’i Mania. Ny ampitson’io vao hita ny fatin’ity Lôdy ity. Avy hatrany dia niaky ny heloka vitany izy efa-mianaka ireo tao amin’ny zandary tao Ambondromisotra izay nisambotra avy hatrany ireto nahavanon-doza ireto. Ny efatra hafa lasa nandositra. Vita ny valifaty ho an’ireto fianakaviana ireto. Ny fitsarana sisa no mitsara ny raharaha sy manameloka ireo nanao ny famonoana olona feno habibiana izao. I Lôdy ity no maty noho ny fanampiana ny zandary tamin’ny fahazoana an’i Ndalanakely izay dahalo menalela. Matetika dia ny valifaty toa izao no mahatonga ny any ambanivohitra tsy mety hijoro ho vavolombelona sy hilaza ireo mpanao ratsy.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao