Azo lazaina fa mikatso ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny ministeran’ny Atitany sy ny fitsinjarampahefana ao Anosy amin’izao fotoana izao. Antontan-taratasy miisa 800 mahery ankehitriny no tsy vita sonia ao amin’ity ministera ity izay mahakasika ny fifindramonina (migration) ho an’ny vahiny izay mipetraka sy te hipetraka eto Madagasikara. Tafiditra amin’izany ireo mpiasam-panjakana vahiny mamita iraka maharitra eto Madagasikara sy ireo vahiny manambady Malagasy ary ireo mpandraharaha sy ny maro hafa. Mitaraina noho izany ireo masoivoho miasa eto amintsika ankehitriny. Nanomboka ny volana aprily 2016 no nikatso toa izao ny asa ao amin’ity ministera ity. Ny minisitra irery ihany anefa no manana fahefana hanao sonia izany taratasy izany, dia ny minisitry ny Atitany izay sady praiminisitra lehiben’ny governemanta ankehitriny. Tao anatin’ny roa volana izao dia fijaliana no mahazo ny olona izay manana taratasy mahakasika ny fipetrahana eto Madagasikara io. Rehefa lasa praiminisitra ingahy Mahafaly Solonandrasana Olivier dia mbola nogejainy ihany ity ministera ity. Ministera iankinan-javatra maro anefa izany ministeran’ny Atitany sy ny fitsinjarampahefana izany. Ity sampandraharaha miadidy ny fifindramonina ity koa dia isan’ny malaza amin’ny raharaha ny kolikoly ao amin’ny ministera ity. Tsy mandeha noho izany ny fitsinjaram-pahefana ato amin’ity ministera ity noho ny tsy fahaizana miasa hoy ireo olona manana asa amin’ity sampandraharaha ity. Azo lazaina fa tsy arak’ingahy Praiminisitra Solonandrasana Olivier Mahafaly ny mitazona io ministera io sy ny primatiora. Tamin’ny voalohany dia afaka niasa tao amin’ny ministera tao anatin’ny antsasak’andro ny praiminisitra. Herinandro faharoa dia lasa adiny iray isan’andro sisa no niasany tao amin’ity ministera ity, ary amin’izao fotoana izao dia zara raha tonga ao amin’ny ministeran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana isan-kerinandro ingahy praiminisitra. Vokatr’izany dia izao fikatsoan’ny raharaham-panjakana izao. Misy no efa miandry sonia efa ho efa-bolana ny antontan-taratasy iray hoy ny olona izay manana taratasy tsy vita sonia mahakasika ity raharaha ity. Iarahana mahalala anefa fa iankinanjavatra maro amin’ny firenena ny fahazoana ny taratasy momba ny fahazoana mipetraka eto Madagasikara io. Mazava hoazy amin’izany fa maro no asa tsy mandeha ao amin’ny ministeran’ny Atitany sy ny fitsinjarampahefana ao ankehitriny. Maro ny tale sy mpiasa no mitaraina noho ny asa amin’ny ankapobeny tsy mandeha, nefa dia tsy afaka manao na inona na inona. Ny vahoaka no mijaly vokatr’izany. Sarotra dia sarotra ny miloloha rano roa siny hoy ny Malagasy fahiny. Vokatr’izany dia izao olana ao amin’ny ministera ity izao. Fa mba inona marina moa no antony tsy anendrena minisitra hafa hiadidy ity Atitany sy ny fitsinjarampahefana ity ? Sa ve efa fananan’ingahy Mahafaly Solonandrasana Olivier manokana izy io ka tsy misy Malagasy afaka hanao ny asa maha minisitra ao amin’ity departemanta ity raha tsy izy irery ihany ? Inona koa no naneken’ny filoham-pirenena izao fampirafesana asa izay manana andraikitra lehibe amin’ny firenena izao? Ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha…
Nangonin’i Jesy Rabelaolao
HVM: Tsy voaloa ny karaman’ny mpiasa
Mitaraina mafy ankehitriny ny mpiasa ao amin’ny foiben’ny HVM (Hery vaovao hoan’i Madagasikara) etsy Antanimena. Mpiasa eo amin’ny 14 mianadahy eo izy ireo no miasa amin’ity foiben’ny antokon’ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina ity. Ny enina amin’izany dia ireo mpiaro ny tanàna ireo ka ny valo sisa no manao ny asa ao anatin’ny trano. Tamin’ny volana martsa 2016 izy ireo no nandray vola farany. Ny volana avrily 2016 dia tsy voaloa ny karaman’izy ireo ary atahorana mafy koa ny tsy handraisana karama amin’izao volana May 2016 izao. Manontany tena noho izany ny mpiasa satria tsy azo inoana hoy izy ireo no tokony tsy hahavoaloa ny karamany. Mitaraina mafy noho izany ireto mpiasa ireto satria dia efa iarahana mahalala ny fahasarotan’ny fiainana ankehitriny. Mahagaga ihany raha toa ka antoko lehibe sy mitondra firenena toa itony no tsy mahavoaloa ny karaman’ny mpiasa ao amin’ity birao foibe ity, sady tsy dia olona marobe izy ireo fa vitsy kely. Azo tarafina amin’izao tsy fandoavana ny karaman’ny mpiasa izao ny tsy firaharahan’ny HVM ny olona. Tsy dia mahagaga raha toa ka maro ny malagasy mitaky ny fialan’ity antoko ity amin’ny fitondrana firenena ankehitriny. Mariky ny tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena ihany koa izao mitranga amin’ny mpiasa ao amin’ny foibe ny HVM izao. Ny tena mahagaga anefa dia misy ny vola hamonoana afo ataon’ity antoko ity, ary volabe no laniany amin’izany, amin’ireo fihetsiketsehana maro samihafa misy amin’izao fotoana izao. Sanatria ve ka efa hitaky izany amin’ny alalan’ny sora-baventy indray ny mpiasan’ny Hvm ao amin’ny foibeny ity vao hihetsika ny antoko ?
JB