Nanao fanambarana am-pahibemaso mahakasika ny fampiasana ny volam-panjakana omaly zoma faha 20 may 2016 tetsy amin’ny lapan’ny fitsarana ambony Anosy ny mpikambana ao amin’ny « Cour des comptes » na ny fitsarana ny kaontim-bolam-panjakana. Ny filohany andriamatoa Andriambolanirina Jean Noël no nitarika izany. Ny fitantanana ny volam-panjakana nanomboka ny taona 2001 ka hatramin’ny taona 2014 teo no nampahafantarina ny vahoaka omaly. Tao anatin’ny taona maro dia sambany no nisy ny fanambarana am-pahibemaso mahakasika ity fandaniana ny volam-panjakana ity teto Mada-gasikara. Ramatoa Raharimalala Lydia Clémence, izay mpitsara sady “Président de chambre” ao amin’ny “Cour supreme” no nanambara am-pahibemaso ny tsy fetezan’ny fitantanam-bola (irrégularités) sy ny fanodinkodinam-bolam-panjakana ( malversations) izay ataon’ireo olona mpampiasa sy mpikirakira ny volam-panjakana eto Madagasikara ireny. Isan’ny nisongadina tamin’izany ny fanodinkodinana ireo vola natokana hanaovana ny asam-panjakana ( marché public) ireny. Ny ministeran’ny Vola no tena voakasik’ity raharaha ity mivantana sy ireo rantsamangaika miaraka aminy. Misy ny tsy fahavitan’ny asa dia aloan’ny vola ho an’ilay orin’asa; misy ny tsy nokasihana mihitsy ny asa fa ny vola naloa, ary misy ny tsy fanarahana ny lalàna mahakasika ny famoahana vola koa. Santionany amin’ny voalaza tetsy Anosy ireo omaly. Tsy hay tenenina intsony ny volam-panjakana voahodinkodina noho izany tao anatin’ny taona 2001 ka hatramin’ny taona 2014 teo iny. Boky be iray izay misy pejy an-jatony no mirakitra izany ka natoro ny mpanatrika tamin’izany. Hatramin’ny andro nitondran’ingahy Marc Ravalomanana ny firenena, ka hatramin’ny tetezamita tamin’ny andron’ingahy Andry Nirina Rajoelina, ary amin’izao fotoanan’ingahy Rajaonarimampianina Hery izao dia feno fanodinkodinana ny fitantanana ny volam-panjakana. Ny amin’ny taona 2015 sy ny taona 2016 dia mbola tsy tafiditra ao anatin’ity fanambarana ity. Nilaza ny filohan’ny “ Cour des comptes”, ingahy Andriambolanirina Jean Noël, fa tsy mikendry an’iza na iza ny famoahana izao raharaha izao am-pahibemaso ka tokony hizatra izao isika Malagasy. Ny ahiahy tsy ihavanana hoy ny filamatra tamin’ity fanambarana ity ka zon’ny Malagasy ny mahalala ny fampiasana ny volam-panjakana eto Madagasikara. Ny nahagaga tamin’ity fanambarana nataon’ny “Cour des comptes” ity dia ny tsy fahatongavan’ny praiminisitra sy ny minisitra ao amin’ny governemanta izay tokony ho nanatrika azy ity satria dia izy ireo no azo lazaina fa mpampiasa vola be indrindra ary izy ireo koa no tena voakasik’izao raharaha izao. Raha fitinina ny zavatra misy dia feno fanodinkodinana ny volam-panjakana ary mandeha amin’ny tsy izy ny fampiasana azy.

Mahakasika ny fanasaziana indray dia nanambara ny ao amin’ity fitsarana ity fa tsy andraikitr’izy ireo no manao izany fa ny anjaran’ny sehatry ny fitsarana hafa. Na izany aza, ny olona voakasik’ity raharaha ity dia tsy maintsy mamerina ny vola nahodinkodiny ankoatrany sazy mahazo azy. Raha toa sanatria ka maty ilay voaheloka dia ny mpandova azy no mamerina ny volam-panjakana. Hoentina any amin’ny faritany moa ity fanambarana ampahibemaso ity. Tokony hisy koa anefa ny famoahana ny anaran’ireo olona izay nanao ny fanodinkodinanana ireny hoy ny mpanatrika sy ny mpanara-baovao omaly ary tokony hisy ny fanasaziana azy ireo fa tsy hipetraka ho antontan-taratasy toa izao fotsiny ihany. Raha tena hiady amin’ny kolikoly sy ny fampiharana ny tany tan-dalàna marina ity fanjakana ity, dia izao no fotoana fanararaotana hanaovan’izy ireo izany satria dia efa manambara ampahibemaso ny fandehan’ny raharaha rehetra ankehitriny ny sampandraharaha miandraikitra ny famoahana ny fanodinkodinam-bola eto Madagasikara.

Jesy Rabelaolao