Miseho lany isaky ny masoandro mihiratra ny tsy fahazakan’ny mpitondra fanjakana HVM ny fahamaroan’ny lafin-kevitra mifamoivoy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tsy zakan’izy ireo ny demokrasia izay manome lanja ny fahalalahana maneho hevitra. Sehatra iray anehoan’ny olom-pirenena ny heviny sy itondran’ny mpanao famakafakana isan-tokony ny fomba fahitany ny raharaham-pirenena ny hainoaman-jery sy ny gazety. Izay maha fanoitran’ny fahalalahana demokratika ny hainoaman-jery aman-gazety izay indrindra no tsy levon’ny vavonin’ny fitondrana Rajaonarimampianaina ka itadiavany hirika isa-maraina ny hikapana ny ranjon’izay mitondra fanazavan-tsaina ny vahoaka eo anoloan’ny tsy fahombiazan-dry zareo mpitondra.

Ianjadian’izany kapa ranjo sy antsojay izany indray ankehitriny ny onjam-peon’ny Viva any Mahajanga, izay fanaraky ny maro amin’ny mari-drefy (fréquence) 103 sy ny an’ny M3tv (Radio) araka ny mari-drefy 105.

Raha ny antony voalazan’ny rantsa-mangaikan’ny fanjakana antsoina hoe « Artec » izay rafitra natao handrindra sy hanara-maso ny tontolon’ny serasaera amin’ny haino aman-jery (nasolo ny Omert), dia hoe manitsaka ny mari-drefin’ny Asecna ireo onjam-peo roa ireo ka dia akatona. Ny Asecna anefa dia any amin’ny mari-drefy 108.

Nandritra ny 17 taona no nanapariahan’ny M3tv ny feony tamin’ny onjam-peony ary efa 5 Taona mahery no nisian’ny onjam-peo Viva tao Mahajanga, izay tsy nahenoana izany feo mifanitsaka izany mihitsy. Ara-teknika rahateo, mazava ireo mari-drefy ireo, fa finiavana hikapa ranjo sy hanao antsojay ny Viva sy ny M3tv no marina.

Tsy tokony ho tompon-trano mihono isika fa maro ny onjam-peo misehatra amin’ny tontolon’ny radio sy fahitalavitra ao Mahajanga, toy ny Radiom-pirenena (Rnm), ny Rfi, ny Dream’in, ny Radio Don Bosco, ny Rta, fa tsy mba nandraisana fepetra hakatona toa izao ampiharina amin’ny Viva sy ny M3tv izao. Ny antony dia mazava. Satria ny Viva sy ny M3tv dia mitondra famakafakana ny toe-draharaham-pirenena ao anatin’ny fahasahiana mivantana mamatotra andraikitra ny mpitondra fanjakana foibe ho tsy mahomby sy manampatra fahefana ary manao kolikoly, ka tsy zakan’ny vavonin’ny mpitondra dia izao anaovana fanamparam-pahefana izao ka hoe akatona.

Tsy mahafinaritra anefa izany satria ny vahoaka no lasa ankivy, saingy rehefa tsy mahay mamindra ny mpitondra dia ho tonga aminy ilay ohabolana hoe « tsy misy mahay mamindra toy ny akoho fa rehefa mandia sahafa, solafaka ihany ».