Mahakasika ny lahatsoratra izay navoakan’ny la gazette de la grande Ile tamin’ny zoma faha 20 may 2016 ao amin’ny pejy faha 13 mitondra ny lohateny hoe « Taratasy miisa 800 no tsy vita sonian’ny minisitra », dia nahatonga fanambarana ny tale misahana ny « immigration et émigration » na ny tale miandraikitra ny fifindramonina ramatoa Iavilisy Yolande fa tsy marina ny filazana fa misy ny antontan-taratasy miisa 800 izay tsy vita sonian’ny minisitrin’ny Atitany sy ny fitsinjarampahefana tao anatin’ny roa volana izay. Antontan-taratasy miisa 150 eo no tsy vita sonia amin’izao fotoana izao izay miandry ny fotoana famoahana azy satria ny zoma no fanaovana sonia izany hatramin’izay. Ny taratasy hafa izay tsy mbola novaliana dia satria misy tsy ampy na tsy mety. Tsy tonga ny olona voakasika izany manao ny fanitsiana ka voatery mijanona ela ato amin’ny ministera ny raharaha mahakasika azy.