Efa mba imbetsaka ihany no noresahina teto ny momba ireo masoivohontsika any ireo fa toa tsy maha maika ny mpitondra amin’izao fotoana izao mihitsy ny hanolo azy ireo. Misy amin’ireo ambasadaorontsika any ivelany ireo anefa no mbola notendren’ny fitondrana Ravalomanana. Tsy ny hoe iza na iza no nanendry azy no tena olana fa ny iarahan’ny rehetra mahita sy mahalala dia “tsy mamokatra”, araka ny fitenenana, izy ireo. Nahoana tokoa moa izy ireo no “hamokatra” ho an’ny mpitondra tsy mitovy firehana aminy ê ?...
Tsy taitra amin’izany ny mpitondra antsika, ary dia mipetraka ny fanontaniana amin’ny tena antony: tena iniana tsy soloina ve sa misy antony hafa?...
Manamarina izany fanontaniana izany ny zava-nitranga tamin’ity herinandro ity, dia iny dian’ny filohampirenena tany Singapour iny. Lasa nivoaka tany ny filoha, tsy ankiteniteny; nody izy dia mbola tsy ankiteniteny ihany koa. Fa nahoana àry ê ?... Naninona koa no tsy maintsy ho ny filohampirenena no nandeha tany ?... Raha ny fiheverana mantsy dia tokony ho “iraka” vitan”ny minisitra nany ambasadaoro ny toa ireny. Ny tantara ihany koa dia mampahatsiaro fa ny minisitra Ramparany Anthelme ihany, tamin’ny fotoan’androny, dia efa nahavita ny “iraka”, raha nalefan’ny fitondrana Hvm “nanamarina” ny fanondranana an’ireo andramena tratra tany amin’io firenena io ihany. Mazava be ny tsoa-kevitry ny mpanaraka ny raharaham-pirenena dia ny hoe nisy “raharaha manokana” nalehan’ny filoha Rajaonarimampianina tany Singapour tany. Tsy azo disoina ihany koa ireo mihevitra fa nandeha “nandamina” ny momba ireo andramena marobe tratra tany ireo ny tenany. Ny antony dia satria nifanandrify tamin’ny fotoana tokony ho nandalovan’io raharaha io tany amin’ny Fitsarana tany an-toerana ilay fivahiniana. Izay ihany koa, hoy ny mpandinika sasany, no antony tsy maha taitra ny fitondrana Hvm ny amin’ny “hanarenana” ireo masoivohontsika any ivelany ireo. Raha ny zava-misy any amin’izy ireny mantsy dia ny hoe tsy vitan’ny hoe ambasadaoro efa tsy manao na inona na inona no any, raha misy aza, fa hatramin’ireo trano iasan’ireo mpiasa any koa aza dia tena efa mikororosy sy mahamenatra mihitsy. Efa tsy manana jiro sy rano intsony ny sasany. Ireny ambasady ireny no azo lazaina fa itarafan’ny any ivelany ny zava-misy any amin’ny firenena soloiny tena. Inona anefa no antenaintsika avy amin’ireo firenena vahiny ireo raha fananana gaboraraka sy tsy fahaiza mitantan’ny tomponandraikitra toa izany no hitan’izy ireo ê ?...
Inona àry no tena olana no tsy misy ny fanarenana an’izany toe-javatra izany ê ? Tsy manana olona azony itokisana ve ny fitondrana Hvm, sa, sanatria marina ilay nalaza teo aloha hoe mandoa “ekôlazy” vao mahazo toerana, toa ireo minisitra niditra tao amin’ny governemanta farany teo io ?... Misy koa anefa no mihevitra fa iniana tsy karakaraina mihitsy ireo solontenantsika any ivelany ireo amin’izay mba ho fahefana manokan’ny mpitondra ambony eto an-toerana ihany ny fanaovana fifanarahana amin’ny any ivelany… sy ny tombontsoa manokana azo amin’izany.
Tombantombana avokoa izany rehetra izany fa mbola miverina ihany ny fanontaniana: inona no tena olana ê ?... Mila fanazavana ny gasy !
Lalou