Nanaitra ny maro ny vaovao niparitaka tamin’ny atoandron’ny zoma teo, ny amin’ny hanakatonan’ny fitondram-panjakana Hvm amin’ny alalan’ny « Artec » ny onjam-peo Viva (Fm 103) sy ny an’ny M3fm (Fm105) any Mahajanga, fa hoe « manitsaka ny maridrefin’ny Asecna (Fm 108).

Samy nandre an’io ny orin’asa fanaovan-gazety rehetra eto andrenivohitra, ary ny fahitalavitra sasany aza dia nandefa ny harivan’ny zoma io ny fanambarana novakian’ny namana mpanao gazety maromaro any Mahajanga. Isan’ny nanatrika an’izay satria niara-nanao ny fanambarana ny mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny Holafitry ny mpanao gazety voafidy tany Mahajanga. Izy rahateo miasa ao anatin’ny onjam-peo « M3TV-FM ».

Dia zendana ny mpanara-baovao fa tsy mba nahenoana feo na « a » aza ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, tamin’iny zoma iny. Ny gazety an-tsoratra iray nivoaka ny sabotsy no nahitana ny teniny hoe « tsy mbola mahafantatra an’izany vaovao izany aho ».

Mahamenatra izany raha ianao vovonana iadian’ny lohany eo anivon’ny fianakaviamben’ny mpanao gazety indray no milaza ho tsy mbola nandre an’izany vaovao izany. Midika ho tsy ao anatin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ange ianao izany e ! Sa variana maninona ?

Fialana andraikitra no marina ny amin’ity filohan’ny holafitry ny mpanao gazety ity. Miala andraikitra izy satria raha vao misoka-bava dia tsy maintsy hanakiana sy hitsipaka ny jadona ataon’ny fitondrana HVM. Ny tenany anefa miara-misaosy amin’ny HVM ka sao very fihinanana.

Ny mampalahelo ny mpanao gazety namana sasany dia haingana ery ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety manampempo ny mpanao gazety raha vao misy tranga iray ataon’ny mpanao gazety iray, ary kinga aoka izany koa izy miloa-bava sy miteny amin’ny anaran’ny Holafitry ny mpanao gazety raha vao ny tombontsoan’ny fitondrana HVM na ny tombontsoan’ny Tim no voakitikitika ambony gazety.

Izany ve ilay « etika sy deontôlôjika » ventesina sy anampempoana isanandro ny mpanao gazety ?