Nanatanteraka ny fivoriambeny tetsy amin’ny kianjan’ny Kanto etsy Mahamasina ny sabotsy teo ny mpiasan’ny Vondrom-pitaterana an’habakabaka Air Madagasikara. Taorian’ny fivoriana dia nampita ny fanapahan-kevitra tamin’ny mpanao gazety izy ireo fa « hanao fitokonambe fanairana amin’ny alatsinainy (anio) mba hanehoana ny fitsipahana ny tetika hivarotan’ny mpitondra fanjakana amin’ny vahiny an’ity orin’asam-pitaterana an’habahabaka an’ny firenena ity ». Ho hita eo indray izany izay ho fihetsiky ny mpitondra fanjakana, na mbola hiroso na hihemotra amin’io petra- kevitra io. Ny filohan’ny filankevi-pitondrana (Pca) ity orin’asa ity, Ingahy Rajaobelina Léon ny zoma teo dia niezaka nanodinkodin-dresaka amin’ny hoe « tsy fivarotana ny orin’asa Air Mad na fisintahan’ny fanjakana (privatisation) no itadiavan mpanam-bola any ivelany ho ao fa fitadiavana mpiara-miombona antoka hanarina ny Air Mad.» Dia mampahatsiaro ny fanazavan-dry Horace Gatien fony minisitry ny angovo sy ny tao amin’ny Jirama hoe « tsy delestazy intsony no misy fa fahatapahan’ny herin’aratra (coupure) », raha nitohy ny fanakianana sy ny fanoherana an’io fahatapatapahan’ny herin’aratry ny Jirama io.

Dia raha misy mpanambola hanaiky hiara-miombona antoka amin’ny Air Mad ho avy ve eto dia mihevitra ny fitondrana sy ry Rajaobelina Léon fa tsy ny tombontsoany manokana no hihazakazahany eto ? Dia tsy mbola misintona lesona tamin’ny fanohizan-dRavalomanana ny famotehana an’io orin’asa Air Mad io tamin’ny nampidirany ho mpitantana tao an’ireo tsy an’asa avy any Alemana tamin’ny alalan’ny « Luftansia Consulting » ve ny Hvm amin’izao tetika hirosoany izao ? Tsarovy fa nanodidina ny 500 Tapitrisa ia isam-bolana isan’olona no nanaramana an’ireo tsy an’asa avy any Alemana niisa 5 nasaina nitantana ny Air Mad fa hoe hanarenana azy. Angaha nahazo tombom-barotra maherin’ny 2.500 tapitrisa ia isam-bolana moa ny Air Mad tamin’izany no afaka nanarama olona 5 an’izany, izay mitovy sanda amin’ny karaman’ny mpiasan’ny Air Mad ampolony maro ?

Nakaiza ny Air Mad taorian’izay ?

Faralahy