Teny amin’ny Tsenan’Andrianjaka eny Isotry ny sabotsy teo i Monja Roindefo, Praiminisitra teo aloha sady Filoha nasionalin’ny Monima ; notronin’ny mpikambana ao amin’ity antoko ity. Nitondra ny anjara-birikiny ho tolo-tanana amin’ireo tra-boina noho ny hain-trano nandrava ny tsena fivarotan’izy ireo teny izy. Haitrano izay nitranga ny maraimben’ny alatsinainin’ny pentekaosta teo. Tena ara-bakinteny ny hoe « anjara-biriky » satria biriky no nentiny mba hanampiana an’ireo tra-boina amin’ny fananganany indray ny tsenany. Efa fepetra nofaritana moa fa ny fanarenana ny trano fivarotana eo amin’ity faritra nianjadian’ny haintrano ity dia hatao trano biriky. Nomarihin’i Monja Roindefo fa « tsy mbola nanadino ny mponina nianjadian’ny voina toa izao ny antoko Monima, satria ny voin-kava-mahatratra », ary isan’ny notsiahiviny fa « maro amin’ny mponina sy ny mpivarotra eny Isotry no niara-dia hatrany tamin’ny Monima hatramin’izay ary tsy mifanadino na amin’ny mora na amin’ny sarotra ».

Notsipihin’i Monja Roindefo koa fa « mbola hitohy fa tsy hitsahatra akory ny fifampitsinjovana, ary hiara-hiasa akaiky amin’ny komitin’ny tsena raha misy tokony mbola hifanatonana sy hifanampiana ny tenanay ». Niantso manokana an’ireo mpisolovava mpiaro ny tombontsoam-bahoaka, toa ny Me Razafinjatovo Willy Olala koa i Monja Roindefo mba hiara-hiasa amin’ny fiarovana an’ireo vahoaka efa manajary an’io toerana io.