Maro ireo nanara-maso ny tatitra nentin’ny Sampan’ny Fitsarana Tampony misahana ny fikirakirana ny antontan-taratasy mirakitra ny tontolon’ny fitantanana ny volam-panjakana, na tany amin’ny ministera isan-tokony na tany amin’ireo rafitra sy sehatra iasan’ny volam-panjakana (Epic-Epa). Io sampan’ny Fitsarana Tampony iray io no antsoina hoe « Cour des Comptes ». Ny tontolon’ny fitantanam-bolam-panjakana teo anelanelan’ny taona 2001 ka hatramin’ny 2012 no novakiana tetsy amin’ny lapan’ny fitsarana etsy Anosy ny zoma teo.
Hitan’ireo mpitsara ao amin’ity rafi-pitsarana tampony ity tokoa ireo tranga nibaribarian’ny fanodinkodinana volam-panjakana, ny fahabangana nateraky ny fitantanana tsy ara-dalàna, ny famoahana volam-panjakana tsy araka ny voalazan’ny lalàna namaritra ny teti-bolam-panjakana tamin’iny taona nampiasana ny vola iny, sy ny maro tsy ho voatanisa.
Raha tsiahivina dia tao anelanelan’ireo taona ireo (2006) no nisian’ilay fakan’ny fitondrana Ravalomanana vola mahatratra 689.000 tapitrisa (689 miliara) tsy nanajana ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana, na ilay antsoina hoe « requisition ».
Marobe ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fitantanam-bolam-panjakana teto. Na ireny fanomezana tolo-barotra momba ny asam-panjakana (marché public) ireny aza dia nibaraibarian’ny tsy fanarahan-dalàna.
Fa ny tena nanaitra koa teo anoloan’izany rehetra izany dia ny tsy mba nahenoana, na talohan’io tatitra io na taoriany, fa nisy tompon’andraikitra tamin’izany tsy fanarahan-dalàna rehetra izany mba voarohirohy teny amin’ny fitsarana.
Tena alaim-panahy ny saina hieritreritra hoe « anjely latsaka an-tany avokoa ange izany ny tompon’andraiki-panjakana nifandimby teto e ! »
Notehafan’ny mpanatrika maro moa ny finiavana nataon’ity sampam-pitsarana tampony ity tamin’io fanaovana tatitra io. Ka ny fanaraha-maso sy fikirakirana ny antontan-taratasy momba ny fitantanana ny volam-panjakana toa izany ange ka tsy fahafinaretan’ny maso sy ny sofina fotsiny hoe nanao tatitra, izany hoe niasa, fa mitaky fandraisana andraikitra avy amin’ny manam-pahafena hanenjika an’izay nandika lalàna sy nanao heloka e !
Ho avy koa izao ny fandalovan’ny tolo-dalàna mirakitra ny fitantanam-bolam-panjakana na « projet de loi de reglement » eny amin’ny Parlemanta, dia hahazo fankatoavana avy amin’ireo solombava ny kaontim-pitantanam-bolam-panjakana.
Ny olana iray koa dia ity. Tratra aoriana loatra ny famoahana vokatra toa izao e ! Efa aty ambadiky ny dimy amby folo ka hatramin’ny dimy taona nitrangan’ilay raharaha maloto vao hita ny voarakitr’ilay kaontim-pitantanana ka na ny hanenjika an’ilay tompon’andraikitra nanodinkodim-bolam-panjakana na ny ninia nangalatra mihitsy aza ve tsy hanahirana ? Ny sasany mety efa any ambany rangolahy. Misy rahateo ny heloka voafaritry ny lalàna fa maty paika andro ny fanenjehana azy raha vao dila ny 3 taona (heloka tsotra). Ny heloka bevava moa, raha amin’arivony tapitrisa no voahodinkodina dia azo antoka fa hifampiarovan-dry zalahy mpitondra aty aoriana aza ny fisian’ny tany aloha tokony ho voafatotra andraikitra aminy. Anjely latsaka an-tany avokoa ry zalahy e !
Ralay