Mandeha dia mandeha indray ny resaka tato anatin’ny iray volana izay fa hosoloina indray ny tale jeneralin’ny Jirama amin’izao fotoana izao. Ny jirama izay manana olana amin’ny famatsiana jiro sy rano amin’ny tanàn-dehibe maro eto Madagasikara. Ingahy Rachid izay mpanolotsainan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina no filohan’ny filan-kevi-pitantanana amin’ity orin’asam-panjakana ity nanomboka ny Repoblika fahefatra izao. Sahirana dia sahirana tokoa ity orin’asa ity tato anatin’ny taona maro izay, ary mbola vao nilentika mafy dia mafy tato amin’izao repoblika fahefatra izao. Diso fanantenana tanteraka ny Malagasy noho izany. Izay olona alefa hitantana azy eo toa tsy mahavoavaha ny olana avokoa. Raha ny tantara nisy teto amin’ny firenena dia ny orin’asa Jirama no isan’ny fakan’ny fanjakana vola nentin’izy ireo namenoana ny banga tao amin’ny tsy faizana mitantana ny raharaham-panjakana sy ny kitapom-bolam-panjakana. Tsy izany ihany fa tao koa no voalaza fa nanaovan’ny mpitondra tantely afa-drakotra ny volam-panjakana, ary famenoana ny paosin’ireo mpanao politika izay mitondra. Nomena fanampiana manokana avy amin’ny teti-bolam-panjakana ity orinasa ity ka raha tsy hiteny afa-tsy ny fanampiana tamin’ny taon-dasa 2015 iny isika dia manodidina ny “400 millions de dollar” no nomena azy. Voalaza fa mihoatra lavitra noho izany no homena azy amin’ity taona 2016 ity. Tsy ho tenenintsika ny “zimnastika” isan-karazany fandaniam-bola sy fanodinkodinana misy ao amin’ity oriin’asa. Vokatr’izany dia izao “delestazy” sy ny fahasahiranana tsy misy fijanonany izao no mitranga amin’ny Jirama. Mbola zava-doza anefa no hitranga atsy ho atsy satria dia heno izao fa ramatoa Claudine Razaimamonjy tompon’ny hotely A&C eny Ivato sy ramatoa Voahangy indray no hametraka ny olona izay hasolo ny tale Jeneralin’ity orinasa Jirama ity raha ny loharanom-baovao azonay tamin’ny olona akaiky ireo olona ireo. Tsy mahagaga izany satria izy roa ireto no voalaza fa mibaiko ny filoham-pirenena amin’ny fanendrena izay olona hitondra eto Madagasikara. Izay tsy manaraka ny baikon’izy roa ireo dia tsy maintsy miala amin’ny toerany. Izy roa ireto koa no fandadiladian’ny mpitady toerana amin’izao fotoana izao. Mametraka minisitra sy olom-boafidy ary mpiasam-panjakana ambony. Ny tambin’izany anefa dia tsy maintsy omena azy avokoa ny “ marché public” ao amin’ny departemanta nametrahany olona ireo. Firy tokoa moa no raharaha maha voarohirohy an-dramatoa Claudine ity amin’izany, nefa dia mbola jerena fotsiny aloha izy amin’izao fotoana izao. Voalaza sy nalaza teto Madagasikara, roa volana lasa izay, fa ity ramatoa ity sy Voahangy no antony tena nanesorana an’ingahy Ravelonarivo Jean tsy ho praiminisitra intsony satria tsy nety niara-nitsikombakomba taminy amin’ny fanomezana asam-panjakana “marché public”, ary mbola tsy nety niray tsikombakomba koa amin’ny fanondranana harem-pirenena fa indrindra ny andramena. Voalaza koa fa ireo vehivavy roa ireo no nanery ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ho nametraka ny praiminisitra Mahafaly Olivier Solo-
nandrasana. Maro tsy ho ary ho voatanisa ny fahefana ananan’izy roa vavy ireto. Matetika koa dia asa tsy vita sy tsy vita tsara no ataony nefa dia omena azy ny vola tambin’ireo asa ireo. Mandeha sahady ny resaka fa ny vola be izay fanampiana omen’ny fanjakana ao amin’ny Jirama io no tanjona tratrarin’izy roa ireto ny hahazoana azy ka izao hametrahany vehivavy izay akaiky azy izao, hono. Tsy zoviana amin’ny Malagasy mpanaraka ny raharaham-pirenena tokoa ny fahazoan’ity ramatoa Claudine ity “marché public” rehetra mba tsy hilazana ny fifeheziny ny 98%-n’izany raharaha izany amin’ izao fotoana izao. Tsy azo atao koa no hino fa izany vehivavy hapetraka ho tale jeneralin’ny Jirama izany dia hahafoana ny “delestazy” na hitondra vaha olana amin’ny zava misy ankehitriny. Dia azo lazaina fa ny hanaovana bizina ihany no anton’izao ho fanendrena vehivavy namana akaiky an-dry Claudine sy Voahangy izao hoy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena. Ho hitantsika ny ho famarinan’ity loharanom-baovao izay azonay ity.
JB