Tontosa ny sabotsy sy ny alahady lasa teo manerana ny renivohi-paritany enina ny fanadinana handraisana mpianatra ho polisy.
Nahatratra 8 054 ireo mpiadina niatrika izany ka ny 2 030 mpiadina ho “inspecteur de police” ary 6024 mpiadina ho “agent de police”.
Nizotra tamin’ny laoniny ny fanadinana nandritra ny roa andro nanaterahana izany, ny 100 amin’ireo izay mahazo naoty ambony no horaisina ho “inspecteur de police” ary 650 no ho tafita ho “agent de police”.
Nametraka fanamby ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny commissaire Divisionnaire de Police ANANDRA Norbert fa hatao lavitry ny kolikoly ity fifaninanana ity ka izay mahay no ho afaka. Ny marainan’ny sabotsy, dia tonga nijery ifotony ny fikarakarana sy ny fizotry ny fanadinana tao amin’ny foibe fanadinana LMA Ampefiloha ny tenany ka tamin’izany no nanambarany fa efa irosoana tsikelikely ny fampiasana ireo teknolojia arifomba mba hahafahana manao ny antsoina hoe “ correction automatique”. Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny asam-panjakana sy ny BIANCO amin’ity fikarakarana ity fifaninanana ity fa tsy nokonokononin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka irery mba hialana amin’ny ahiahy tsy ihavanana.
Faralahy