Efa 20 andro izao no nivory ara-potoana ny parlemantera roa eto Madagasikara, dia ny depiote sy ny senatera izany. Ny 3 may 2016 lasa teo no nonomboka ny fanokafana ny fivoriana. Omaly faha 23 may 2016 anefa dia mbola tsy nanana tolo-dalàna na iray aza, hatolotra hodinihin’izy ireo, ny governemanta izay tarihin’ingahy Mahafaly Olivier Solonantenaina ity. 40andro sisa dia hifarana ny fivorian’ny depiote sy ny senatera ireto. Tsy nisy zavatra nataon’izy ireo anefa tao Tsimbazaza sy tao Anosikely tao fa milalao tanàna sy manafosafo loha fotsy ary ampihinanina volam-bahoaka fotsiny amin’ny tambinkarama sy tambim-pivoriana izay tsy hay tenenina intsony izy ireo. Tsy misy hadisoan’ny depiote sy ny senatera anefa izany fa ireto mpikambana ao anatin’ny governemanta ireto no tsy manao na inona na inona. Tsy hita taratra izay maha governemanta ho mpiady na (gouvernement de combat) azy araka ny fanambaran’ingahy Praiminisitra Solonandrasana tamin’ny fametrahana azy teo amin’ny toerany. Ao anatin’ny taona iray na enim-bolana raha kely indrindra no amolavolana tolo-dalàna iray nefa dia tsy vitan’izy ireo izany. Ministera 32 no misy amin’izao fotoana izao nefa dia tsy hita izay tolo-dalàna entiny hanatsarana ny fiainan’ny Malagasy. Toa ilaozany “midororororo” amin’ny fitenin’ny zatovo fotsiny ankehitriny ny raharaham-pirenena. Ny vahoaka nefa efa mahantra fadiranovana. Fa inona loatra no ataon’ireto governemanta tarihin’ingahy praiminisitra Mahafaly ireto ? Sa ve andrasana ho antomotra indray ny 60 andro vao atao sesimototra eny amin’ny parlemanta ny tolo-dalàna avy amin’ny governemanta, dia amin’izay tsy manana fotoana handinihana azy tsara ireo olona ireo? Fomba fanao izany rehefa te hametraka lalàna tsy dia manjary loatra amin’ny raharaha toa itony, na koa ny fizarana vola amin’ireo mpifidy ny lalàna ireto no teti-dratsy fanao amin’izany.

Raha nanontanianay mahakasika ity tsy fisian’ny tolo-dalàna omena ny parlemantera ity ny depioté Jean Michel avy any Androy dia nilaza fa governemanta mpanao afera avao ireo. Ny fividianana fiaramanidina “falcon” hanondranana ny haren’i Madagasikara any Maurice, Dubai, ary Bankok no mahamay an’ireo fa tsy miraharaha firenena izany. Izany filazana izany dia nataony omaly alatsinainy faha 23 may 2016 hariva tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany teo tao amin’ny antenimierampirenena raha nanontaniana mahakasika ny fizotran’ny raharaha ao amin’ity andrimpanjakan ity izy, ary notsindriany mafy mba havoaka amin’ny gazety ho hitan’izy ireo fa tsy misy zavatra mandeha hono eto amin’ny firenena raha tsy ny bizina ataon’ny mpitondra ihany.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao

Manjakandriana: Manao rain’azy ny mpiasan’ny fananan-tany

Isan’ny olana maro ifampitaritarihana eny amin’ny fitsarana ny tontolon’ny fananan-tany. Matetika dia ny sampan-draharahan’ny fananan-tany no fantatra fa fototry ny fiavian’ny olana. Indraindray koa anefa no manao ny ataony ny fitsarana.

Velon-taraina koa mantsy izao ny vahoaka any Ambatolaona Manjakandriana fa araraotin’ny tompon’andraiki-panjakana sy ny ben’ny tanàna amin’ny fakana vola ho fikarakarana ny antontan-taratasy maha-mpizaka manana ny tany azy ireo.

Nisy fotoana nanentanana ny fanaovana Titra faobe, ary nampirisihana ny vahoaka mihitsy ny hikarakarany ny tany nomaintisiny molaly sy nohajariany, mba hikarakara azy.

Ny any amin’ity distrikan’i Manjakandriana ity koa dia niroso tamin’izany, saingy ny mahavariana dia misy finiavana hangoron-karena amin’ireo tompon’andraikitra sasany.

Ireo tompon’andraikitry ny sampan-draharaha misahana ny fananan-tany sy ny sampan-draharaha momba ny fandrefesan-tany any an-toetrana no isan’ny manararaotra an’ireo tantsaha koa.

Samy manonona sora-bola takiana amin’ny vahoaka izy rehetra, arakaraka ny ambaratongan-drafitra andehanan’ny dingana ikarakarana ny antontan-taratasy. Dia samy mampanantena fa “hivoaka tsy ho ela ny Titra”.

Marihina fa mbola maro ny tanim-panjakana amin’iny manodidina an’Ambatolaona iny fa dia manamaintimolaly azy araka ny fanao hatramin’ny razambeny ny vahoaka, saingy mba faly ry zareo amin’izao fotoana noho ny filazana fa hokarakaraina ny fanomezana taratasy maha-tompony ara-panjakana sy araka ny lalàna an-dry zareo. Dia ny tompon’andraikitra indray no manararaotra an-dry zareo.

Tsy ny fakana vola isaky ny mihetsika ihany no isehoan’ny fanararaotana an’ireo vahoaka fa ny fanodinan-dry zareo tompon’andraikitra ny tany ho any amin’ny tombontsoany koa, ary avy eo dia ifampiraharahany (kolikoly) amin’ izay mahasahy mividy na mandoa vola ambonimbony.

Tsy rariny ary tsy hitsiny izany. Fantatra fa efa nisy tamin’ireo manana tany nohajariana sy nomaintisi-molaly ao amin’ity kaominin’ Ambatolaona ity, hatrany Mandraka any, no nitondra ny raharaha eny anivon’ny Bianco mba hanaovana fanadihadiana sy hanokafana famotorana fa mijaly sy fadiranovana ny vahoaka.

Tsy vitan’izany fa misy mahasahy mandrahona ho faty ny vahoaka manana fahasahiana mijoro miaro ny zon’ny vahoaka nanamaintimolaly ny tany mihitsy amin’ireo mpanararao-pahefana. Ny sasany amin’ireo tompon’andraikitra moa dia mahavatra mamorona antontan-taratasin-keloka mba hitoriana amin’ny fitsarana ady heloka an’izay miseho ho tsy manaiky lembenana amin’ny fanitsakitsahana ny rariny sy ny ara-dalàna.

Mahagaga tokoa ange fa sahin’ny tompon’andraikitra ny mampandoa vola an’ireo vahoaka te hikarakara ny taniny, nefa dia tsy tapakila ara-dalàna ara-panjakana (quittance) no omeny ny nahaloa vola fa tapa-taratasy tsotra fotsiny, nefa volabe no alainy amin’ny vahoaka, ary tsy olom-pirenena tokana no ataon-dry zareo an’izany fa ny rehetra e !

Nisy fotoana moa, zara raha ny ampahatelon’ny olona tokony hikarakara ny antontan-taratasiny no tonga satria voasakan’io fitakiam-bola “tsy ara-dalàna” io ny maro. Dia sahin’ny tompon’andraikitra ny manentana ny vahoaka hivarotra ny fananany mba hikarakarana ny taratasin-taniny na manimbona ny velaran-taniny mba hatao takalom-patsa vidim-pihinana amin’ny fikarakarana. Fanararaotam-pahefana ange izany e !

Sanatria ve dia hitazan-davitra an’izany ny Bianco fa hoe “mahabe raharaha” ?

Iza àry no mba hianteheran’ny vahoaka raha izany e ?