Naha lasa ny fisainana ny nahita tamin’ny vaovao, iraisam-pirenena, omaly, fa nofoanan’ny filoha amerikanina Obama ny fandrarana ny fivarotan’ny fireneny fitaovam-piadiana amin’i Vietnam. Naha lasa ny fisainana, satria raha nisy ny ady azo lazaina ho « nalaza » indrindra tamin’ny tantaran’Izao tontolo izao dia iray amin’ireny ny nifanandrinan’ireo firenena roa ireo. Tsy nisy nanao am-po ny raharaha anefa ireo taty aoriana fa samy niasa ho amin’izay nahasoa ny fireneny koa dia tonga hatramin’izao fifanarahana ara-barotra izao. Mety hisy ny hanazava izao fandehan-javatra izao amin’ny hoe resa-bola io ka mora ny « mifanaraka » aminy. Mety ho marina tokoa izany, satria ankoatra io ho fahafahan’ny amerikanina mivarotra fitaovam-piadiana amin’ny Vietnamianina io dia fantatra fa hividy fiaramanidina Boeing 737 MAX 200 miisa 100 amin-dry zareo be kintana koa ireto farany. Mitentina any amin’ny 11,3 miliara dôlara any ny vidin’ireo fiaramanidina ireo… Ny “tsy te hahalala” dia mamintina tsotsotra ny zava-misy amin’ny hoe rehefa misy ny vola dia voafafa daholo ny olana rehetra. Marina ihany koa izany fa ny tokony hosaintsinina dia ny hoe efa sady nividy fitaovam-piadiana izany ry zareo Vietnamianina no mbola hividy fiaramanidina Boeing zato ihany koa. Ny fanontaniana dia ny hoe nahoana àry ry zareo no mahavita an’izany… ary mba aiza ho aiza amin’izany isika Malagasy ? Mipetraka ny fanontaniana raha mahatsiaro ny hoe anisan’ny firenena faran’izay potika indrindra i Vietnam, taorian’ny ady nifanaovany tamin’ny amerikanina. Firenena niara-nihosona tamin’i Madagasikara tamin’ireny firehana “sôsialista” sy ny fikambanana maro, toy ny “Tsy momba ny atsy na ny aroa” sy ny hafa ireny, ohatra, kanefa… tsy mba nilentika tao anaty fahantrana toa antsika. Taona firy taty aoriana anefa io firenena io dia efa izao “mahatakatra” Boeing zato izao sahady?... Raha tsy diso koa ny fitadidiana dia efa nanana an’izany fiaramanidina Boeing izany taloha elabe isika malagasy, izany hoe ny Air Madagasikara, raha oharina amin’ny VietJet, kaompania Vietnamianina, kanefa… aiza ho aiza izao no misy antsika raha mitaha amin-dry zareo ê ? Mahagaga fa raha mbola tany anaty tonelin’ny revôlisiôna sôsialista isika dia nahavidy an’iny Boeing 747 nantsoina hoe “Tolom-piavotana” iny. Revôlisiôna sôsialista kanefa tany amin’ny amerikanina no nividy fiara… Taty aoriana, rehefa niditra tamin’ny “fanalalahana” indray, dia niha kenda ka izao manjary mivarotra fananana izao no niafarany. Fiteny ny hoe mivarotra fananana fa raha ny marina dia ilay kaompania nasiônaly iray manontolo mihitsy no itadiavana mpividy. Fa naninona àry ê ?...

Ny fanontaniana dia tokony hapetraka amin’ireo rehetra izay nandalo tao amin’ny fitantanana an’io kaompania nasiônaly io. Tompon’andraikitra tamin’ny fampandehanana sy nyfampiroboroboana ny orinasa izy ireo ka tokony hanome fanazavana amin’ny tompony, izany hoe ny vahoaka malagasy, ny amin’ny fandehan’ny raharaha tao anatiny. Tokony hivoaka ny hoe nahoana no lasa bankirompitra ny sosiety, ary iza no nanao inona sy nihinana ny hoatrinona tamin’izany. Raha mbola tsy mazava ny amin’izany, sy ny amin’ny fandehan’ny fitantanam-bola rehetra teto amin’ity firenena ity hatrizay dia tsy hita izay antony mbola hifidianana sy hametrahana mpitondra sy lalàna eto fa dia aleo ho samy “hamelona” ny tenany eto ka izay hiafarany dia hiafarany…

Misy hosaintsainina izay !

Lalou