Ny toa izao no tonga amin’ny fitenenana hoe « ny nantenain-kanirina no vao mainka nampivandravandra ». Izany no azo ilazana ny seho amin’ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra Antsalova sy Morafenobe ary Tsiroanomanddidy. Ny zandary natao hiaro no vahoaka indray no miara-dia amin’ny dahalo. Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety omaly talata faha 24 may 2016 ny solombavambahoaka avy amin’ireo toerana voalaza ireo tetsy amin’ny Antenimierampirenena tetsy Tsimbazaza. Niaraka tamin’izy ireo koa ny filohan’ny mpivarotra omby sy ny mpiompy omby ary ny sekretera jeneralin’ireo fikambanana ireo avy ao Tsiromandidy. Mahakasika ny fanafihana mitam-piadina nataon’ny dahalo 150 lahy ny mpivarotra omby avy any Antsalova ho aty Tsiroanomandidy, ka tsy maintsy mandalo ao Ankavandra sy Betsipolitra. Misy tobin’ny zandary iray izay iandraiketan’ny lietnà antsoina hoe “officier coordinateur” ity kaominin’i Akavandra ity, ka manamboninahitra lefitra no miandraikitra izany na irony antsoina hoe Lietnà irony. Miaraka aminy amin’izany ny zandary maromaro izay natao hifehy ny tsy fandriampahalemana amin’iny faritra iny. Loza anefa no nataon’ity lietnà ity raha ny voalazan’ny depiote telo lahy ireo sy ny filohan’ny fikambanana ireto, fa ity lietnà “off-coord” ity mihitsy no maniraka dahalo sy manome azy basy kalaky hanafihana ireo mpivarotra omby mandalo ao amin’ireo tanàna sy toerana ireo. Tamin’ny faha 9 may 2016 lasa teo no nitranga ny fanafihana nataon’ny dahalo izay voalaza fa nalefan’ilay manamboninahitra lefitra ao amin’ny zandary ao Ankavandra. Omby 800 no lasan’ny dahalo tamin’izany. Mahatratra 150 ireto mpanafika. Mitentina 5 miliara fmg no tetibidin’ireo omby very ireo. Nanana basy kalaky roa ireto dahalo ireto, izay voalazan’ireo tompon’omby tratran’ny fanafihana ity fa avy tamin’ilay manamboninahitra lefitra “off-coord” ity hono. Raha nanenjika ireo tompon’omby sy ny mpandroaka omby ireo dahalo ireo dia nilaza fa ny lietnà ity no miara-miasa amin’izy ireo amin’izao fotoana izao. Namorona karazana milisy antsoina hoe “voromahery” ity “off-coord” ity, araka ny voalazan’ireo olona ireo hatrany, ka ity fikambanana ity no lasa dahalo ampiasan’ilay lehiben’ny zandary. Ny fananana namana manampahefana ambony toa ireny dia ireharehan’ny any ambanivohitra tokoa, ka entin’izy ireo mampiseho ny fahefany sy ny heriny koa. Nanamafy moa ireto depiote telo lahy ireto fa maro ny manampahefana any Ankavandra no miara-mitsikombakomba amin’ny dahalo amin’ny famotsiana ireny omby halatra ireny. Nohamafisin’ireo namory mpanao gazety ireto fa ny ben’ny tanàna ao Ankavandra amin’izao fotoana izao, dia izany Maharesy izany, no mpanome an’ilay FIB (fiche individual de bovidé), miaraka amin’ny delege ao an-toerana ary ny dokotera veterinera izay manome ny karatra nahavita vakisin’omby. Ireo taratasy ireo no taratasy tsy maintsy ilaina amin’ny fivarotana omby. Hatramin’izao dia omby 20 monja no tratra tao amin’ny tsenan’i Tsiromandidy. Manana “Fib” roa indray ny sasany tamin’ireo omby ireo ary novaina koa ny famantarana izay nosoratana teny amin’ny omby, ankoatra ny kavina izay nentiny. Ingahy Ramarolahy Maurice izay depiote avy any Antsalova dia nanamafy fa zava-doza no hitranga raha toa ka tsy handray fanampahan-kevitra maika sy hentitra amin’ity raharaha ity ny fanjakana mahefa satria mitady hivadika ady ity raharaha ity ka tsy maintsy ho maro ny rà handriaka sy ny faty ho olona amin’izany. Ingahy Ramarolahy Maurice ity izay mbola nilaza fa manohana ity fanjakana ity, nefa dia aoka hazava hoy izy fa tsy mety izao ataon’ny olona irahin’ny fanjakana ao amin’ny zandary izao any amin’ny faritra iny satria toa azo heverina koa fa ny fanjakana mihitsy no maniraka ity lietnà “off-coord” ity manao izao asan-dahalo izay mangalatra omby any amin’ny toerana nihaviany.
Amin’izao fotoana izao dia miady amin’ny dahalo ambony latabatra koa ny fikambanan’ny mpiompy any amin’ny faritra Bongolava iny. Tratra tamin’izany koa ny FIB hosoka amidy ao amin’ny tsenan’i Tsiromandidy. Nomarihin’izy ireo fa ny zandary sy ny ben’ny tanàna ary ny veterinera no tena manao ity famotsiana omby ity any amin’ny faritra iny. Tokony hisy hoy ireto olona ireto ny hetsika hataon’ny fanjakana amin’izany. Nilaza ireto olona ireto fa efa nisy ny fitarainan’izy ireo any amin’ny filoham-pirenena ary ny fitoriana any amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria ary ny Bianco. Dia ho hitantsika eo ny tohin’ity raharaha ity. Zavatra toa izao koa no mitranga any atsimo izay anjakan’ny dahalo ankehitriny.
Jesy Rabelaolao