Efa tonga amin’ny fenitry ny fanjakan’ny baroa ve isika eto Madagasikara ka sanatria samy manao izay saim-pantany sy izay mahadiavolana ny fony sy ny sainy ? Manitikitika mantsy izany fanontaniana izany raha mandre ny fitarainan’ny mponina etsy Ampasampito.

Velon-taraina tokoa ny mponina eny Ampasampito, ambonikelin’ny toeram-pitobian’ny fiara mpitatitra miazo ny ilany atsinanana iny. Misy trano filanonanana sy fialamboly eo. Hatramin’ny volana febroary no mankaty dia tena tsy misy iainanana mihitsy ny kotaba sy ny feo manako avy ao. Misy an’irony antsoina hoe “karaoke” irony, ka miteraka kotaba sy fanakorontanana ny manodidina. Eo koa ny loto isan-karazany satria ireo misotrosotro ao dia manditsaka sy manao maloto eny amin’ny faritra onenan’ny manodidina. Hatramin’ny fifohana rongony no misy ao.

Efa nisy fotoana nampitan’ny manodidina fitarainana fa tsy misy mandray andraikitra ny manam-pahefana. Tamin’iny herinandro lasa iny izao dia efa nakaton’ny tompon’andraikitra ara-panjakana io toeram-pialamboly io, fa ny ampitso ihany dia novahan-dry zareo indray.

Toa misy olona ianteheran’izy ireo ka manome rariny azy any ambony any, raha ny re.

Ahoana ihany izany ity tontolo ifampitsimbinana ity e ? Fanjakan’ny baroa ve no misy eto ka samy manao izay tiany e ? Takiana ny handraisan’ny manam-pahefana ara-panjakana fepetra amin’ny zavatra toa izao fa tsy rariny ary tsy ara-dalàna ka ! Ny samy manodidina efa tsy raharahain-dry zalahy fa ny fahafinaretany no tsy maintsy ampanjakainy.

Hotondroin’ny vahoaka ho mpiray tsikombakomba amin’ny fampanjakana ny gaboraraka toa izany ianareo eo anivon’ny Fokontany, Boriboritany, Kaomina, mbamin’ny mpitandro ny filaminana an !