Na dia efa mampimenomenona ny olona aza ny fivoahany matetika loatra dia iny mbola lasa any torkia iny indray ny filoha Rajaonarimampianina. Mimenomenona tokoa ny ambanilanitra, satria betsaka ihany izay dia nataony tany ivelany izay kanefa tsy hita izay vokatra azo avy any fa toa ny volam-bahoaka ihany no lany.
Rehefa avy “nitsidika” an’i Singapour, izay tsy fivahinianana ôfisialy akory, ingahy Rajaonarimampianina dia izao nihazo an’i Istambul renivohitr’i Torkia izao indray. Raha ny re dia ny fivoriana iraisam-pirenena momba izany “aide humanitaire” izany no anton-diany any, izany hoe ny mahakasika ny tokony ho fitsinjarana ny fanampiana amin’ny maha olona eran’izao tontolo izao. Raha hatao jery maika tokoa dia toa rariny ihany raha nandeha “nanenjika” an’io fivoriana io ny filoham-pirenena malagasy, satria iaraha-mahalala fa tena mila izany fanampiana amin’ny maha olona izany mihitsy ny eto amintsika, raha tsy hilaza afa-tsy ny fahorian’ireo havana any atsimo izay efa matin’ny kere ny ankamaroany. Mila fanampiana tokoa izy ireo, saingy tsy zava-baovao amin’ny iraisam-pirenena izany fa efa niainana teto ary fantatr’izy ireo nandritra ny taona maro. Inona anefa no nataon-dry zareo hatramin’izay ê?... Tsy nisy tonga ny fanampiana fa ny efa mba nanao taloha aza tsy nanohy intsony. Mazava ny antony dia satria tsy matoky ny mpitondra antsika ry zareo. Nahoana tokoa moa izy ireo no hametraka fitokisana amin’ny mpitondra an’i Madagasikara raha mahafantatra fa manan-karembe ity nosy ity kanefa ireny hita misy mamoaka an-tsokosoko ireny izany harembe izany?... Izay rehetra nandray fitenenana, nikabary, teo, na ambasadaoro, na ny nandalo namita iraka, eny na ny Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana aza dia samy “nibedy” an’ireo mpitondra antsika ireo avokoa noho ny resaka kolikoly sy ny tsy maty manota. Inona anefa no fivoaran’ny raharaha hita teto?... Ny “omaly tsy niova”, araka ny fitenenana ihany ê. Mbola mitohy ihany ny fandrobana ny harem-pirenena; mbola mitohy ihany ny fanodinkodinana ny volam-bahoaka, sy ny sisa…
Araka izany dia karazan’ny herim-po very maina ihany ny an’ny mpitondra malagasy raha nandeha any, satria tsy hisy hanome ny volany ho fanampiana izany mihitsy raha mbola fitantanana gaboraraka toa izao ihany no ho hitan-dry zareo eto.
Lasa lavitra, ary dia hody maina indray ny mpitondra Hvm. Lasa lavitra nandany ny vola tokony ho nanaovan-javatra ho an’ny sahirana eto an-toerana. Ho an’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena mantsy, ny fiheverana dia ny hoe raha ny lanin’ny filoha sy ireo delegasiônina nentiny tany ivelany hatramin’izay no nanaovana, farafaharatsiny, vovon-drano ho an’ireo havantsika kere any atsimo ireo dia mety ho nahavitana maromaro ihany… Mba ho nahafaka ny hetaheta, na tsy ho namaha ny olan’ny hanoanana aza. Tsaroana anefa ny “diabe” nataon’ireo tomponandraikitra ao amin’ny fitondrana tany amin’iny faritra atsimo iny… Fampanantenana no betsaka tamin’izany, ary ranomasona minisitra no najanon-dry zareo tany… dia izay !
Lasa lavitra, nandany vola tsy amin’antony indray ê…
Lalou