Omaly talata faha 24 may 2016 no notanterahan’ingahy Lylison de Réné, loholon’i Madagasikara ary kolonely ao amin’ny zandary, izay nametraka fiatoana amin’ny maha miaramila manamboninahitra azy ao amin’ny zandary, ny hetsika “tanàna maty”. Faritra telo ihany no namaly ny antson’ingahy senatera ity dia Mahazoarivo, Ambohipo sy Tsiadana mankeny Ankatso, ary ny teny Ambohimanarina. Nanomboka ny maraina tamin’ny 6 ora ny fihetsehana tamin’ireo toerana ireo. Fanakan-dàlana nataon’ny andrimasompokonolona. Barazy sy fandoroana kodiarana no nataon’izy ireo tamin’izany ka tsy nisy afaka nandeha ny fiarakodia rehetra. Adiny iray teo no naharetan’ny hetsika dia tonga ny Emmo/Reg ka rava avy hatrany ny fihetsiketsehana. Ny tsikaritry ny olona maro sy ny mpanaraka ny toe-draharaha politika dia tsy ampy ny fanomanana tamin’iny fanaovana tanàna maty an’Antananarivo iny. Na izany aza, hoy ihany ny mpandinika, dia midika zavatra lehibe amin’ny tsy fandehanan’ny raharaha politika sy ny fitantanana ny firenena iny hetsika iny. Raha ny feo mandeha dia efa leo izao fanjakana tsy mahomby sy nandiso fanantenana ny vahoaka izao ny Malagasy. Mbola tsy tonga amin’ny fotoana izay hivondronan’izy ireo sy ny hampitambarany ny heriny amin’ny fanoherana anefa ny raharaha ity. Tsy midika ho fahalemen’ny mpitokona sy ny ekipan’i Lylison iny raharaha tsy nahomby iny, ary tsy afaka milaza koa ny fanjakana fa fandresena ho azy ny tsy fahombiazan’iny fikasana hanao tanàna maty an’Antananarivo iny. Mbola tantara mitohy ity raharaha ity ka ho hitantsika ny ho tohiny.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao

Tsimbazaza: Depiote dimy no namonjy ny fivoriana itambaram-be

Omaly talata faha 24 may 2016 dia nanao fivoriana itambaram-be ny depiote tetsy Tsimbazaza. Tokony hanomboka tamin’ny 11 ora maraina io fivoriana io, izay handraisan’ny depiote rehetra anjara. Tonga anefa ny tamin’ny 12 ora atoandro dia tsy nisy niditra tao amin’ny trano fivoriana ireo izay tonga tao Tsimbazaza ka ireo olona dimy ireo fotsiny ihany no nazoto nivory. Resaka fivoriana mahakasika ny fanolorana anaran’olona hofidiana ho mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra ambony miaro ny demôkrasia sy ny fanjakana tan-dalàna no tokony ho nivoriana tamin’izany sy ny fampitam-baovao isan-karazany.

Tsy nety nivory ny depiote na dia efa 20 andro mahery izao no nantsoina hivory izy ireo. Ny depiote iray izay nanontanianay ny antony tsy ivoriany dia nilaza fa tokony hatraty amin’ny depiote no hisy tanàna maty fa tsy any amin’ny sivily ihany. Maro ny olana. Azo lazaina fa tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena ankehitriny. Ny depiote tsy mety mivory, ny mpiasam-panjakana manao fitokonana fitakiana ny ankamaroany. Ny afo sendikaly mangataka ny handravana ny fanjakana fa mpangalatra sy mpanao kolikoly. Ny mpanatanteraka ao amin’ny governemanta tsy mahavoavaha olana misy eto amin’ny firenena. Ny dahalo sy ny tsy fandriampahalemana manerana an’i Madagasikara ka fanafihana isan’andro no iainana. Ny vahoaka miha mahantra andro aman’alina. Dia inona no hitranga eto amin’ny firenena fa ny depiote no izao no mikomy tsy mety mivory izao indray?...

Nangonin’i Jesy Rabelaolao