Nisokatra omaly tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny Grande Braderie , izay karakarain’ny orinasa Madavision sy ny EMJE Madagascar mpanohana ofisialy.

Amin’ity andiany ity dia hiompana amin’ny fankalazana ny fetin’ny reny ny hetsika. Samy manana tolotra vaovao atolotra ho an’i Neny ireo mpandray anjara miisa 250, izay ahitana tranoheva miisa 300.

Raha ny andro voalohany omaly dia marobe ny olona tonga nanohina ny antson’ny mpikarakara. Samy mampihatra ny fihenam-bidy izay notakian’ny Madavision 15 isan-jato sy ny fametahana ny vidin’entana ny rehetra. Ho an’ireo rehetra tonga teny an-toerana dia mbola tsy naharay fitarainana tamin’izy ireo ny tomponandraikitry ny Madavision.

Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa Madavision misahana ny ara-barotra, Hery Andrianasolo izay nanome toky ireo mpanjifa fa ho azo antoka ny tanteraka ny fiarovana « securite » rehetra ary nohamafisina izany amin’ity andiany faharoa ity. 50 000 mahery ny olona vinavinan’ny mpikarakara eo anivon’ny Madavision ho tonga eny an-toerana mandritra ny andro hanatanterahana ny Grande Braderie ao amin’ny Palais des sports, izay tsy hifarana raha tsy amin’ny sabotsy izao.

A M.