Naha lasa ny fisainan’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ny zava-nitranga tato ho ato izay. Ny resaka fananan-tany moa no tena nahatonga izany. Raharaha nitana ny sain’ny maro, nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo iny ny momba ny orinasan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, dia ny Magro izany. Olona an’arivony maro no nitandahatra teny amin’ny Magro Ankorondrano. Ny ho nametraka ny antontan-taratasy fangatahana asa amin’ny orinasan’ny filoha teo aloha no anton-dian-dry zareo ireo tamin’izany. Rehefa nahita izany sy ny fanamboarana ny fotodrafitr’asa teny an-toerana anefa ny “Chambre de commerce”, na ny Antenimieran’ny varotra eto Antananarivo dia nandefa vadintany sy mpitandro ny filaminana mba ho nanidy ny toerana satria aminy dia azy io faritra io ka tsy tokony hampiasain’ny orinasa Magro, araka ny didim-pitsarana nivoaka tamin’ny taona 2011 tany ho any. Ny ampitson’io andro io ihany anefa dia nidina teny an-toerana koa ingahy Ravalomanana ka nampitandrina ny mpitondra fanjakana, indrindra ny minisitry ny Varotra, ka nilaza fa mbola manana “fahefana” amin’io faritra io ny tenany, ary, indrindra, misy ny faritra ao anatiny izay fananany azy manokana.
Io tranga io dia namerina tao an-tsaina indray ny raharaha Andohatapenaka, izay nolazain’Ingahy Ravalomanana fa fananany ihany koa kanefa dia io anorenan’ny mpitondra ny “tanàna” handraisana ireo ho vahinin’ny fivoriamben’ny firenena miteny sy mampiasa ny fiteny frantsay io.
Hafahafa ihany nyfandehan’ny raharaha, satria ny taratasy ara-panjakana rehetra dia, na tsy mazava ny maha fananan-dRavalomanana ny tany, toy ny eny Andohatapenaka, ohatra, na koa manamarina fa an’ny Antenimieran’ny varotra ny toerana nanorenan’ny Magro fotodrafitr’asa.
Raha ny fantatra, hatramin’izao, ny eny Andohatapenaka, na dia marobe aza ny mpahay lalàna manodidina sy miasa ho an’ny filoha teo aloha Ravalomanana, dia efa io mitohy io ny asa ampanaovin’ny fanjakana, ary inoana fa tsy hitsahatra izany raha tsy vita tanteraka. Ny etsy Ankorondrano koa dia mazava fa fananan’ny Antenimieran’ny varotra ka ananany fanapahana. Ny fanontanian’ny maro àry dia ny hoe maninona àry ingahy Ravalomanana no io tsy mihambahamba mandrahona mpitondra fanjakana amin’ny alalan’ny hainoaman-jery, mitaky ny “fananany” io ê ?... Mipetraka ny fanontaniana satria raha ny fahitana azy dia tena mino tokoa ingahirainy fa azy sy ananany fahefana ireo tany ireo. Toa “miady irery” ihany anefa izy, satria dia tsy re loatra intsony mba hoe manampy azy amin’ny “fanazavana” ny raharaha anefa ireo mpahay lalàna maro nanodidina azy teo aloha ireo.
Izany rehetra izany no mahatonga ny mpanaraka ny raharaha mametraka ny fanontaniana hoe sao dia tsy tena mahalala ny fandehan’ny raharaha àry ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ê ?... Mipetraka tokoa ny fanontaniana satria tsy misy hita manamarina ny ambarany ireo mpiasany taloha nikarakara ny antontan-taratasy, na momba ny nifanarahana na nividianana an’ireo tany ireo. Fandre natetika, rehefa miresaka an’ireo mpitondra tany aloha, ny hoe tsy ny filoha no ratsy fa ny nanodidina azy ka izay no maha laasa ny eritreritra any amin’ny hoe sao dia mba nataon’ny tandapany toa izany koa àry ingahy Ravalomanana fony izy teo amin’ny fitondrana?... Betsaka loatra mantsy ny mpila ranondranony sy mpidokadoka azy fotsiny tamin’ireny fotoana ireny, kanefa aiza daholo moa izy ireny amin’izao fotoana izao ê ?...
Sao dia mba voafahan-dalitra ihany koa aza ingahirainy io ê ?... Asa ?
Lalou