Ny volana jona dia natokan’ny firenena malagasy hankalazana sy hanomezana hasina sy lanja manokana ny teny malagasy. « Iray volan’ny teny malagasy ». Toy ny maha-volan’ny ankizy an’io volana jona io ihany koa.

Tany ampanombohana, taona 1992 Tany dia roa andro monja no nenti-nanamarika ny « Teny malagasy », saingy taona vitsy taorian’izay, dia nahomby ny fitakian’ny  « Fikambanan’ny Mpandala ny Maha-Malagasy » (Fimpamama) notarihin-dRajoelisolo Lequert, ka ny volana jona manontolo no natokana ho « iray volan’ny teny malagasy ».

Amin’ity taona 2016 ity àry dia hiara-misalahy amin’ny fikarakarana  ny hetsika rehetra ny Foibe momba ny Teny ao amin’ny Akademia Malagasy sy ny Komitin’ny faha-150 taonan’ny Gazety Malagasy.

Re koa izao fa nanaiky ho mpiahy mivantana an’ireo hetsika rehetra hatao mandritra io volana jona io ny filohampirenena Rajaonarimampianina.

Zava-dehibe eo amin’ny fikolokoloana ny Teny malagasy ny fankalazana isa-taona toa izao. Ny fanamarihana tokoa no nanokanana iray volana fa raha ny rariny sy ny hitsiny dia mandavan-taona no tokony hanomezana hasina ny lanja izany teny malagasy izany.

Mila ezaka sy fahafoizan-tena ny tolona atao hanomezana lanja ny teny malagasy satria ny vanim-potoana ankehitriny dia tena saro-pady noho ny herin’ny fibosesehan’ny riba avy any ivelany, indrindra fa ny tandrefana eto Madagasikara, ary tafiditra ao anatin’izany ny famonoana ny teny malagasy.

Ady sy tolona isan’andro ihany koa ny fiarovana ny teny malagasy, ny fameloma-maso azy, ny fampiainana azy amin’ny maha-teny velona ny teny malagasy satria manomboka miha latsaka sy miha miletsy ny lanjan’izy io noho ny ezaka ataon’ny tompon’andraiki-panjakana hanome lanja hatrany ny teny vahiny eto, indrindra fa eo amin’ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana.

Goavana ny andraikitry ny fitondram-panjakana amin’izany rehetra izany raha tena resy lahatra ka manana finiavana hanome hasina ny teny malagasy tokoa  izy ireo, ary heverina fa ho izany, matoa ny filohampirenena mihitsy no nanaiky hiahy mivantana ireo hetsika rehetra ho amin’izany «iray volan’ny teny malagasy» izany.

Ho hita eo izany ny hafitsoky ny filohampirenena satria tsara toerana mihitsy ity taona iray ity amin’io fanamarihana ny Iray volan’ny teny malagasy io. Nahoana, angaha, hoy ianao ? Satria mifanindran-dalana amin’izany ny fikarakaran’ny fitondram-panjakana ny fanatanterahana ihany koa ny fandraisana an’ilay fihaonambe an-tampon’ny tany mampiasa ny teny frantsay eto amin’ny volana novambra.

Hanara-maso akaiky an’io fiahian’ny filohampirenena ny Iray volan’ny teny malagasy io ny  maro satria nanokam-bolabe ho amin’ny « Frankôfônia » ny fitondram-panjakana hanandratana ny teny frantsay sy ny kolontsaina frantsay ka heloky ny mpandala ny maha-malagasy ve raha mitaky ny zony koa izy ho amin’ny fanandratana ny teny malagasy, na dia mandritra io iray volana io ihany aza aloha ?

Hanana fahasahiana hametraka vaomiera teknika manokana hisahana ny raharaha rehetra hanomezana lanja izany fankalazana ny Iray volan’ny teny malagasy izany ve ny fitondram-panjakana, amin’ny alalana’ny filohampirenena ?

Ho hita eo, hoy ilay jamba.

Ralay