Tsy misy olona izay tsy mimenomenona sy mitaraina amin’ny tsy fahombiazan’ny fitondram-panjakana sy ny governemanta tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina io ny Malagasy manerana ny Nosy sy ireo any ampitan-dranomasina ankehitriny. Toa izao no resaka ataon’ny olona rehetra mifamivoy eny amin’ny arabe, raha momba ny raharaham-pirenena : “ tsy izy intsony izao, tsy mbola nisy toa izao hatramin’ny fanjakana mifandimby izay, fanjakana mangalatra sy mpanodinkodina volam-panjakana, fanjakana baikoin’ny vadiny sy ny vehivavy, … sy ny maro isan-karazany izay tsy hay tenenina intsony . Misy mihitsy aza no miteny ratsy amin’ny filazany ny tsy fahombiazan’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao io. Ireo izay tsy mahatsindry ny fony intsony dia ireny manao fitokonana fanambarana tsy fahafaliana ireny. Tsy ho tenenintsika intsony ny mahakasika ny fitokonana etsy sy eroa amin’izao fotoana izao satria dia efa toa lasa rivotra iainanana eto Antananarivo indray izany. Misy ny azon’ny fanjakana vonoina amin’ny alalan’ny miaramila sy ny zandary ireny fihetsika ireny, toa ny fanehoan-kevitra ataon’ireo olona eny anivon’ny fokontany, ohatra. Ao ireo tsy faly amin’ny fandroahana azy amin’ny fivelomana toy ny mpivarotra amoron-dàlana, ka tsy itadiavan’ny fanjakana vaha olana amin’ny tsy fananana asa. Misy ireo izay voaroaka amin’ny toerana fonenany ka mifanehitra amin’ny mpanambola vahiny sy tompon-tany maka sy manjakazaka amin’ny taniny. Tsy vitsy koa ny mpiasam-panjakana no mitaky fanatsarana sy sehatra misy azy ireo. Toy ny dokotera sy ny mpianatra amin’ny sekoly manofana ho mpitsabo. Misy koa mpiasa amin’ny orin’asa izay simba amin’izao fotoana izao, toy ny Jirama, ny Air Mad, izay efa ho bankirompitra sy ho rava. Ny lalana eto Antananarivo tsy hay tenenina intsony ny fahasimbany. Ny depiote sy ny senatera dia mitango lalitra fotsiny sisa ataon’izy ireo satria tsy manome tolo-dalàna hodinihina sy hofidin’izy ireo ny governemanta izay tokony hanao izany. Ny hopitaly dia tsy natao ho an’ny sarambabem-bahoaka intsony fa natao ho an’ireo izay mpanambola sy manan-katao. Maro dia maro ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao no tsy misakafo raha tsy indray mandeha isan’andro ihany. Rano mafana fotsiny ihany sisa no atao solon-tsakafo amin’ny antoandro ka rehefa anontaniana dia milaza fa manao “taille” hono, na mankahia tena fa te hanara-damaody. Tsy hay tenenina intsony ny tsy fandriampahalemana misy eto Antananarivo ankehitriny. Lany andro mamono afo ny Emmo/reg sy ny Emmo/nat, ka fiarovana ny sezan’ny mpitondra sisa ataon’izy ireo. Miaramila hatrany amin’ny 300 eo ho eo no tonga hisava sy hanodidina ny tranon’ny senatera Lylison teny Andohan’i Mandroseza. Sa ve dahalo, na lehiben’andian-jiolahy sy mpamono olona gaigilahy ity senatera ity? Satria na ny dahalo mandripaka any ambanivohitra sy ny jiolahy mandroba aty an-tanàn-dehibe dia tsy toa ireny miaramila teny amin’ny trano nisy azy tamin’ny faha 25 may 2016 lasa teo iny.
Fa mba inona moa no vitan’ny fanjakana amin’izao fotoana izao amin’ny fampandrosoana ny firenena ? Ezaka toa inona no hita sy heverina fa ho vita aoriana ao ? Ny zava-misy aloha dia ny fikarakarana ny fihaonana an-tampony ataon’ny firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay no iambonian’io fanjakana io. Ny fanamboarana ny lalàna handehan’ny mpivory, ny trano honenany etsy Andohatapenaka, ny toerana hivoriany eny Ivato. Dia izay no dradradradraina fa fampandrosoana an’i Madagasikara, ka afatoka ao avokoa ny asan’ny governemanta. Tsy hahavoavaha ny olana misy amin’ny Malagasy 23 tapitrisa mahery amin’izao fotoana izany na inona na inona filazan’ny fanjakana. Ireo firenena ho tonga eto ireo ange ka tsy hitondra vola hoentina amin’ny fampandrosoana ny toe-karem-pirenenena fa handinika ny raharahan’ny fikambanana ihany ê. Raha misy fanaovana izany aza dia mbola ho olana ho an’ny Malagasy ny hanarahana ny fepetra ho amin’izany.
Fitazonana seza sisa no ataon’ny fanjakana tarin’ingahy Hery Rajaonarimampianina io. Famonoana afo sisa no ataony ka ireo izay mihetsiketsika ka milaza ny zavatra tsy mandeha eto amin’ny firenena dia andefasana ny emmo/reg sy ny emmo/nat. Miaramila misaron-tava, mirongo basy sy baomba no miandry izay maneho fitakiana izany. Raha toa ka mahita fampandrosoana entin’ny fanjakana io ho an’ny vahoaka ianareo mpamaky dia mba ilazao izahay havoakany ho hitan’ny vahoaka, satria hatramin’izao dia tsy mahita izany izahay mba ho soratanay. Fitazonan-tseza sisa ataon’io fanjakana io fa tsy afaka hampandroso firenena intsony io.
Jesy Rabelaolao