Miha henjana ny toe-draharaha eto Madagasikara eto tato anatin’ny andro vitsivitsy izay. Taorian’ny « antso » nataon’ny senatera Lylison ny amin’ny hisian’ny tanàna maty, ny faran’ny herinandro iny, dia tonga teny amin’ny trano fonenany teny Andohan’Imandroseza, ny alarobia vao marain-dratsy ny andiana mpitandro ny filaminana niisa 300 mba hanao fisavana. Ny ampitson’io dia teny amin’ny tranon’i Mamy Ravatomanga indray ireo mpitandro ny filaminana ireo, hanao fisavana ihany koa. Raha ny re farany dia namoahan’ny fitondrana taratasy fandrarana tsy hahazo mivoaka ny faritr’i Madagasikara ny senatera Lylison. Fiahiahiana amin’ny fikotrehana fanakorontanana, hono, no anton’izany rehetra izany.

Zendana ny mpanaraka ny raharaham-pirenena eo anatrehan’ny raharaha. Zendana, satria raha ny momba ny senatera Lylison fotsiny, ohatra, dia mazava ny voalazan’ny lalàna ny amin’ny  hoe tsy azo atao ny manenjika azy, amin’ny maha parlemantera azy, raha tsy nangatahana ary nahazoana alalana avy amin’ny birao maharitry ny Antenimierandoholona. Ankoatra izany koa, raha hotsorina, dia tsy azo enjehina mihitsy ny parlemantera, na solombavambahoaka izy na loholona, rehefa ao anatin’ny fe-potoam-pivorian’izy ireo. Tsy izany anefa no misy, ary ny maha lasa ny fisainana indrindra dia ny nahitana ireo mpitandro ny filaminana an-jatony nahetsiky ny fitondrana amin’izao raharaha izao.

Ny tena mampametra-panontaniana dia ny hoe iny « antso » nataon’ny senatera Lylison iny tokoa ve no anton’izao tranga rehetra izao ê?... Mipetraka ny fanontaniana, satria heverina ho samy maharaka ny sary sy ny feo avoakan’ny fampahalalam-baovao avy any ivelany ny rehetra, na  ny vahoaka, indrindra ny mpitondra. Isan’andro vaky izao anefa, raha tsy hiresaka afa-tsy ny ao Frantsa, dia misy foana ny “famonoana” tanàna, izay miseho amin’ny fanakanan-dalana, ny fandoroana kodiarana eny afovoan’arabe, ny fitokonana sy ny filaharam-be, sy ny sisa… kanefa mbola tsy nisy nandre  ny hoe natao fisavana, hono, ny tranon’ny mpitarika na  ny nanao ny “antso” ho amin’ireny fihetsiketsehana ireny. Efa “mamono” tanàna sy efa midina an-dalam-be mifanehitra amin’ny mpitandro ny filaminana ny any ivelany… fa tsy mbola nahenoana hoe ny “perquisition” tatsy na taroa. Ny eto amintsika vao feo fotsiny no nalefa dia ireny no zava-nisy. Mazava ho azy ny fanontaniana aterak’izany dia ny hoe “ahoana marina moa izany no fiheverana an’izany hoe demôkrasia izany eto amintsika eto ê”. Ahoana ny amin’ny hoe fahalalahana amin’ny fanehoan-kevitra?...

Ankoatra ireo voaresaka ireo dia tao koa ny herisetra sy ny fampihorohoroana ary ny “fanakanana” ny mpanao gazety teo am-panatanterahana ny asany. Aiza ny hoe zon’ny vahoaka hahafantatra ny vaovao ê ?...

Ireo tranga ireo dia mifanandrify amin’ny tsy maha eto an-toerana ny filoham-pirenena, indrindra ny maha any Torkia azy, ka mahatonga ny tsoa-kevitry ny mpanaraka ny raharaham-pirenena hoe nandeha naka lesona tany amin’igahy Erdogan ve ny filoha Rajaonarimampianina ê ?... Malaza eran-tany ho tsy refesi-mandidy sy amin’ny famoretana  ny mpanohitra sy ny mpanao gazety mantsy io filohan’I Torkia io ary tsy miraharaha ny tsikera sy ny fanakianana na avy amin’ny firenena iza na firenena iza.

Naka, ary nahazo lesona tany amin’ny mpitondra “turque” ve ny antsika Malagasy ?... Ny tsirairay no mandinika, hoy ilay namana iray izay.

Lalou