Maro ny olona nanao fanamarihana tamin’ny akon’ny fanazavana sy fanehoan-kevitra nataon’ Ingahy filohampirenena Rajaonarimampianina tany Istanbul Torkia ny talata teo, taorian’ny fikatonan’ilay fivorioana an-tampon’ny maha-olona (Sommet mondial humanitaire).
Tsy nisy tsy nahatsapa ny tsy fananan’ny filohampirenena Rajaonarimampianina toe-tsaina mahafehy tena eo anoloan’ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara.
Tsy noho ny inona anefa no nahatonga azy ho nandrongatra tampoka tany Istanbul ka nampiantso an’ireo mpanao gazety Malagasy niara-dia taminy tany fa noho ny antso nataon’ny Loholona Lylison ny vahoaka mba haneho ny fiombonan-keviny ho amin’ny tsy fankasitrahana izao fitohizan’ny fampahantrana sy ny fihamafisan’ny fahasahiranan’ny ambanilanitra izao, ny amin’ny firoboroboan’ny kolikoly avo lenta, ny amin’ny fanamparam-pahefana sy jadona ampiharin’ny mpitondra, ny amin’ny fangoronan-karena itsikombakomban’ny mpitondra amin’ny vahiny, ny fivarotan-tanindrazana mivantana ataon’ny mitana ny fahefam-panjakana, sy ny maro tsy ho voatanisa.
Tena tsy mahafehy tena mihitsy ny filohampirenena satria raha tena manaja ny fiandrianampirenena Malagasy izy dia tsy ho tany an-tanin’olona no namoaka sy nanao fanazavana momba ny fihetsiky ny ankolafin-kery mpifaninana politika aminy aty an-tanindrazana. Eny, na teo anoloan’ny mpanao gazety Malagasy ihany aza no namelabelarany an’izany tany Torkia dia tsy mety satria lafin-tanin’olona any fa tsy an’ny Malagasy. Sa ve efa mihevi-tena ho “mpitondra any ivelan’ny firenena” (en exil), ary mety hosokajiana ho mpitondra manao sesitany ny tenany koa ny filoha Rajaonarimampianina ?
Tsy misy valaka amin’ny nataon-dRavalomanana fony izy nitsoaka nandositra ka nanao sesitany ny tenany tatsy Afrika Atsimo tamin’ireny hetsi-bahoaka tamin’ny 2009 ireny. Efa any an-tanin’olona Ingahy Ravalomanana tamin’izany, nefa dia mbola tsy mahalala menatra manao angoan-tenda ny amin’ny tsy fankasitrahany ny vokatry ny hetsi-bahoaka teto an-tanindrazana ihany.
Raha tena manaja ny fiandrianam-pirenen’ny tena ny filohampirenena Rajaonarimampianina dia niandry ny fiverenany an-tanindrazana vao miresaka ny raharahan’ny firenena Malagasy manokana fa ny vontoatin’ny fihaonana an-tampony nandraisana anjara tany Torkia sy ny toeran’i Madagasikara teo anivon’izany fihaonana an-tampony izany ihany no tokony nanehoany hevitra tany teo anoloan’ny mpanao gazety.
Amin’ny sehatra sasany dia mety hihazakazaka hanontany ny filohampirenena ny mpanao gazety any ivelany amin’izay toe-draharaha eto Madagasikara. Anjaran’ny filohampirenena amin’izay fotoana izay ny mandanjalanja ny teny sy fanazavana entiny fa amin’ny ankapobeny dia tsy maintsy manaja ny fiandrianam-pirenena Malagasy izy, ary tsy maintsy miezaka manome lanja ny fahendrena Malagasy hoe “ny tokantrano tsy ahahaka”.