Ny talata hariva teo , taorian’ny nikatonan’ny Fivoriana an-tampon’ny maha-olona izay natao tany Istanbul, renivohitr’i Tiorkia, no re farany ny momba ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina. Tamin’ny alalan’ny tafa nifanaovany tamin’ireo mpanao gazety malagasy niara-dia taminy tany no nahenoana azy farany dia izay. Ireo sokajin’olona hafa niara-dia taminy dia saika efa tafaverina an-tanindrazana avokoa.

Izy no tsy re hoe lasa aiza na naninona aiza ?

Zon’ny olom-pirenena malagasy no mahafantatra ny misy azy satria filohan’ny firenena izy izao fa tsy olom-pirenena tsotra intsony na mpampianatra tsotra. Adidiny ny mampahafantatra ny vahoaka ny fandaharam-potoanany koa, na haka rivotra sy hiala sasatra aza izy.

Noho ny tsy fahafantarana ny nalehany no mahatonga ny ady hevitra maro omaly tontolo.

Ny alehan’ny sain’ny maro mantsy dia toa nahazo fanasana manokana avy amin’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana koa izy tany Tiorkia, taorian’ny fandalovan’ Ingahy Ban-Ki Moon teto, herinandro vitsivitsy lasa izay.

Nahoana àry no tsy misy fampitam-baovao mihitsy avy amin’ny tompon’andraikitry ny fifandraisana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ? Tany Istanbul mantsy izy dia saika in-telo isanandro, toy ny fanafodin’ny dokotera, hoy ny fitenenana, no misy fampitam-baovao miaraka amin’ny sary, ampitaina amin’ny mpanao gazety rehetra, fa andro vitsivitsy izao dia tsy misy ny vaovao. Sa izy filohampirenena mihitsy no mandrara ny tompon’andraikitry ny serasera tsy hamoaka vaovao ? Fanaovana zinona ny vahoaka ange izany e ! Ny vahoaka no manarama azy, ny vahoaka no miantoka ny lany amin’ny diany etsy sy eroa, nefa dia ny vahoaka indray no ataony tompon-trano mihono amin’izay dia alehany any ampita any.

Misy mihitsy no miahiahy hoe « sao lasa nifampiraharaha mangina any amin’ny toerana hafahafa any ampita any àry ? »

Tsaroana mantsy fa Ingahy Ravalomanana koa fony izy filohampirenena dia nisy fotoana nivoahany nankany ampitan’ny ranomasina, saingy tao anatin’ny telo andro teo, tsy fantatra ny momba azy. Efa tafaverina izy vao re hoe « nandritra ilay hateloana tsy nahenoana vaovao momba azy, hay izy nandalo tany Colombia ». I Colombia izay malaza amin’ny afera avo lenta amin’ny rongony ( ???).

Etsy ankilany, re koa aloha fa toa isan’ny foto-dian’Ingahy Ban-Ki Moon teto Madagasikara ny hiaro an-dRajaonarimampianina amin’ny maha- mpiara-dia an-dry zareo ao amin’ny « Franc-Maçon », ka sao lahy mbola lasa nivory any amin’io rafitra «Franc-Maçon» io indray ny filoha vao hitodi-doha an-tanindrazana ?

Misy koa ny mieritreritra hoe « sao nandre ny toe-draharaham-pirenena eto an-tanindrazana izy dia efa nanamboatra fitoerana any ampita any sao misy fisehoan-javatra eto ka tsy ho sahirana intsony rehefa hitady toerana hialokalofana sy hitsoahana » ?

Mitady sy te hahafantatra ny misy ny filohampirenena ny vahoaka ka ampanjakao ny mangarahara fa aza ato toa izao ny malagasy re !

Ralay