An-jatony ireo mpitsara iantefan’ny famindran-toerana iasana eo anivon’ny fianakaviamben’ny fitsarana amin’izao fotoana. Miteraka fimonomononana eo amin’ny mpitsara izany. Tamin’ny herinandro lasa izahay teto dia efa nanipika fa mety hirotsaka amin’ny fitokonana koa ireto mpitsara, noho io fepetra famindrana toeram-piasana io.
Ny re omaly dia hoe « saika ireo mpitsara sy ny naman’ireo mpitsara nifaninana tamin-dry zalahy tafiditra ao anatin’ny Filankevitra ambonin’ny fitsarana (Csm) amin’izao fotoana no iantefan’izao famindrana toerana izao ». Ny « Csm » mantsy no manapa-kevitra momba io famindran-toerana iasana io. Misy no efa antitra ao amin’ny toerana nisy azy hatry ny ela, ampolon-taonany, tsy mbola mba nafindra mihitsy, fa misy tanora vao taona vitsy no naha-mpitsara azy nefa dia iantefan’ny famindran-toerana sahady.
Tsy rariny izany, hoy ny mpitsara. Hanao fivoriam-be ry zareo ireo amin’io herinandro io handinika ny toe-draharaha.