Azo lazaina ho nafanafana ity herinandro madiva hifarana ity. Tao ny fisavana ny trano fonenan’ny mpanao pôlitika sy ny an’ny mpandraharaha ara-toekarena, fa tao ihany koa ny resaka tsy fantatra mazava nataon’ny filohampirenena raha niresaka tamin’ny mpanao gazety nanara-dia azy tany Torkia tany ny tenany.
Naha lasa ny fisainan’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ireo zava-nitranga rehetra ireo. Nampametra-panontaniana ny maro ny anton’ireo fisavana, na “perquisition” natao ireo. Ny antony dia satria raha nolazaina ho fanakorontanana, ohatra, ny “antso” nataon’ny senatera Lylison dia azo lazaina ho mitovy amin’ny nolazainy ihany ny fanambarana navoakan’ny fiombonamben’ny Eveka katôlika, andro vitsivitsy teo alohany. Fanontanian’ny maro, araka izany, ny hoe nahoana àry no tsy nampiharina tamin’ireo Eveka ireo koa ny fisavana trano fonenana niaraka tamina mpitandro ny filaminana an-jatony ê?... Nanao fanambarana mitovy amin’io koa ry zareo Ffkm, saingy tsy nisy nikitikitika izy ireo. Sa ve rehefa ny olon-tsotra na ny olomboafidy tsy mitovy fijery amin’ny mpitondra dia tsy mahazo miteny na mamoaka ny heviny?... Ireny tranga ireny no manamarina ny hoe tsy niomana ny ho eo amin’ny fitondrana ry zareo eo amin’ny toerana amin’izao fotoana izao ireo. Na iza na iza tokoa mantsy no mpitondra, ary na any amin’ny firenena aiza na aiza, ny fiheverana faran’izay tsotra dia ny hoe tsy maintsy hisy ny mpanohitra, ary tokony ho efa nivononana ny amin’izany. Ny afaka hanampenana ny tsikera sy ny vavan’ny mpanohitra dia ny fampisehoana fa miasa ary mahavita amin’ny fikarakarana sy ny fanasoavana ny vahoaka… fa tsy ny fandefasana ny herim-pamoretana akory.
Nanaitra ny mpanara-baovao maro koa ny tenin’ny filohampirenena tany Torkia, dia ilay hoe “porofoy amiko fa miha mahantra ny Malagasy”. Tsy mahalala ny zava-misy tokoa ve ny filoha Rajaonarimampianina sa voafahan’ireo tandapa ao aminy lalitra toy ny filoha nifandimby teto koa ê ? Porofo inona indray àry no tadiavin’ny filoha, fa tsy efa mazava ve ny hoe inona no anton’ireny fihetseham-bahoaka sy fitokonana etsy sy eroa ireny ê ?... Tsy mijery na mihaino afa-tsy ny hainoaman-jerim-panjakana, angamba, ny filoha ka tsy mahita sy mandre ireny fitarainan’ny vahoaka izay efa mitady hivadika ho fikomiana ireny ?... Tsy porofo ve ny hoe latsaka ambanin’ny 10% nomen’ny mpitondran’ny tetezamita ny fisondrotan-karama vitan’ny fitondrana HVM ?...
Maha kivy ny olom-pirenena ny mandre ny teny toa ireny. Maha kivy satria hay izany ny mpitondra mieritreritra fa hoe nanao ary nahavita zavatra ho fanatsarana ny sôsialim-bahoaka, kanefa ny valalatsimandadiharona vao mainka milentika any anatin’ny fahasahiranana andro aman’alina. Inona tokoa moa izany no mbola azo antenaina amin’ireo mpitondra antsika ireo raha toa tsy fantany marina fa mahantra ny gasy. Tsy hanao na inona na inona intsony mantsy izany izy ireo satria, araka ny fiheverany dia efa miaina sambatra ny malagasy. Amin-dry zareo mantsy izany dia filam-baniny avokoa ireny fitarainana sy fitokonana mitaky ny fanatsarana nyfiainana ireny. Amin’ny mpitondra malagasy izany dia ampy sy sahaza ny mpiasa ny karama raisiny amin’izao fotoana izao?...
Tsy hohalavaina ny resaka sao ka hanahirana eto indray fa ny tsy maintsy holazaina kosa dia ny hoe misy hoeritreretana sy hosaintsainin’ny olom-pirenena isanisany ireny zava-nitranga sy teny nivoaka ireny… dia izay !
Lalou