Nanaitra ny mpino kristiana protestanta eo anivon’ny Fjkm tany amin’ny Synodam-paritanin’Amoron’i Mania any Ambositra omaly alahady ny nahita ny Pasitera Rasendrahasina Lala tonga tany an-toerana amin’ny maha-filohan’ny Fjkm azy. Omaly mantsy no noraisin-tanana tany an-toerana ny filoha synodaly, ka ny Pasitera Rasendrahasina Lala no nanatanteraka izany fandraisan-tanana izany amin’ny maha-filohan’ny Fjkm azy, hoy ny akom-baovao avy any an-toerana.

Lasa fisainana àry ny mpino kristiana protestanta maro tany hoe « angaha tsy efa nisintaka tamin’ny andraikitra naha-filohan’ny Fjkm azy ity mpitandrina ity ? »

Nisy mihitsy ny nanipika hoe « sao lahy ka niverina an-tsokosoko ho filohan’ny Fjkm izy fa ny mpino kristiana FJkm no natao tompon-trano mihono ?

Etsy andaniny, tokony tsy hohadinoina fa efa navoakanay teto amin’ity gazety ity koa, herinandro maromaro lasa izay, fa « nisolo tena ny FJkm tany ampitan’ny ranomasina izy, nandritra ny fivoriana nanasana ny Fjkm tany, ka mbola nisalotra ny anarana maha-filohan’ny Fjkm azy ihany ».

Ny mahazendana koa dia tsy hita miseho mihitsy izy amin’izay maha-Filohan’ny Fjkm azy izany raha eto Antananarivo fa any amin’ny faritra izy no sahy manao an’io. Sao tokony hisy fanazavana avy amin’ireo mpiara-dia ao amin’ny mpiandraikitra foibe Fjkm ihany izao fa mampiroaroa saina ny mpino kristiana protestanta eo anivon’ny Fjkm.

Ny alehan’ny fisainan’ny maro mantsy dia hoe « efa manakaiky ihany ity ny fotoana hanaovana ny fivorian’ny Synoda Lehibe Fjkm, izay hanavaozana ny mpikambana mandrafitra ny mpiandraikitra foibe, ka mitady ny fomba rehetra hiverenana amin-kery eo amin’ny fiandraiketana izany ny Pasitera Rasendrahasina dia manao talapetraky ny mpiaotra eo izy sy Ingahy Ravalomanana, filoha mpanampy, amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra na « propagandy » mialoha, ka ny any amin’ny faritra no tena ilalaovana izany.