Maro ny olom-pirenena no tsy mahazo loatra ny zara-asan’ny Loholon’i Madagasikara izay mandrafitra ny andrim-panjakana faharoa eto amin’ny tany sy ny firenena, dia ny Antenimierandoholona izany. Raisina ho adidy izany ny manoritsoritra amin’ny ankapobeny izany eto.
Voalohany dia isan’ny andrim-panjakana mpanao lalàna izy. Ankoatra ny Antenimieram-pirenena izany dia ity Antenimierandoholona ity no isan’ny miara-mandinika an’ireny rijan-teny momba ny volavolan-dalàna hakana fankatoavana na hotsipahina eto amin’ny tany sy ny firenena ireny.
Fa zara-asan’ny Loholona ihany koa, hoy ny lalampanorenana ny manolotsaina ny governemanta amin’ny raharaha ara-toekarena sy ara-tsosialy. Izany hoe eo amin’ny lafiny fampandrosoana. Ny zara-asa fahatelon’ny Antenimieran-doholona dia ny fiahiana ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana isan’ambaratonga.
Raha ity farany no asian-teny dia ny Kaomina aloha izao no rafitra tena efa mijoro izay tantanin’ny olom-boafidy ( ???). Ny Faritra sy ny Faritany moa dia mbola olom-boatendry no mitantana azy, ka tsy mbola azo faritana ho vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izany ireo aloha hatreto.
Ao anatin’izay maha-mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, toy ny kaomina, ny Antenimierandoholona izay, dia manana adidy ny loholona izany hiaro sy ho aro-fanina amin’ny zavatra rehetra atao amin’ireny kaomina ireny sy ny mihatra aminy koa.
Matetika, raha ny zava-misy hatramin’izay ary mbola mitohy sy mihamafy amin’izao fitondrana Hvm izao, dia ny fitondrana foibe amin’ny alalan’ny mpanatanteraka no tokony ho lohalahana amin’ny fanetsiketsehana ny kaomina, amin’ny fanampiana azy ireny, indrindra fa ny famerenana any amin’ny kaomina ny vokatry ny harin-karem-pirenena notrandrahina teto sy ny hetra aman-kaba notangosana tamin’ny vahoaka teto. Raha mba misy tetik’asan’ny kaomina amin’ny fampandrosoana ifotony, toy ny fananganana fotodrafitrasa, ohatra, dia tsy tokony ho tompony mangataka ny atiny ny kaomina fa zony ny misitraka izany ka manana fahefana hitaky izany zony izany any amin’ny fitondrana foibe izy. Mbola izay mantsy aloha no rafitra misy.
Rehefa mitaky ireny zony ireny any amin’ny fitondrana foibe ny kaomina dia manana zo hanara-maso izany sy hiaro mivantana ny kaomina mba hisitraka izany zony izany ny loholona.
Raha ny tranga izay niseho tany amin’ny kaominina iray any Ambalavao Fianarantsoa sy kaomina iray tany amin’ny faritra Sofia mantsy izao no asian-teny, dia nijoro nanakiana ny fihetsika mamoafady nataon’ny fitondrana foibe tany alin’ireo faritra ireo ny Loholona Lylyson. Nokianiny sy nokororohiny ary notsikerainy mafy ny tetika maloto natao satria dia neken’ny fitondrana foibe ny hitondra ny adidiny ho setrin’ny fitakian’ny kaomina ny zony amin’ny fananganana fotodrafitrasa na fampitaovana ny lapan’ny kaomina. Tsy nalefan’ny fitondrana foibe mivantana tany amin’ireny tetik’asa ireny anefa ny vola fa nahodin-dry zareo teny ampanidinana, araka ny fantatra. Ka rehefa manakiana sy mampaha-fantatra an’izany ny Loholona Lylyson, amin’ny maha-mpiahy ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana an-dry zareo dia toy ny heloka no fanasokajian’ny fitondrana Hvm azy, ary miaro izany fanamelohan’ny fitondrana Hvm izany ny andrimpanjakana Antenimierandoholona satria Hvm no manafotra azy.
Tsy misy fepetra azo iahiana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana amin’ny fihetsiky ny mpitondra mpanatanteraka ange izany e ! 99%-dry zareo mantsy dia Hvm avokoa ka mitsikombakomba sy mifanafin-keloka eo ry zareo.
Tsy mahagaga raha tsy ahitam-pahombiazana izany fampandrosoana ifotony izany aloha hatreto satria izay olona mijoro hiaro ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ifotony toy ny kaomina indray eto no atao haza lambo, mba hitohizan’ny fanararaotam-pahefana sy ny fanodionkodinana ny volam-bahoaka tokony hiatrehana ny fanarenana any anivon’ny fiaraha-monina ifotony any.
Ralay