Mbola resabe nandritra iny faran’ny herinandro iny ny momba ireny zava-nitranga farany ireny dia ny fisavana natao ny tokan-tranon’ny kôlônely Lylison, senatera, sy tany amin’olon-tsotra, mpandraharaha ara-toekarena sy mpitantana trano fisakafoana. Be ny resaka nandeha, satria raha ny tena marina dia tsy nazava tamin’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena mihitsy ny anton’ireo fisavana ireo. Ndeha hatao hoe satria niantso vahoaka hanao tanàna maty an’Antananarivo no antony nisavana ny Kôlônely Lylison… fa na izany aza mbola mipetraka ihany ny fanontaniana hoe fahadisoan’ny mpanao pôlitika ve ny miantso ny vahoaka hanao fihetsiketsehana, indrindra raha mpanohitra ny fitondrana izy ê?... Tsy hanao fanakorontanana anefa no niantsoany olona fa ny hijanona any an-tranony sy hiaro ny fokontany misy azy. Inona no diso amin’izany ê ?...

Ireto roalahy hafa kosa dia tsy nandrenesam-peo, na indraimbava aza, fa dia… naman’ny mpitondra ny tetezamita dia ireny no nanaovana azy. Fa nahoana àry ê ?... Mipetraka ny fanontaniana satria raha izay naman’ny mpitondra teo aloha rehetra no hosavaina trano fonenana dia tsy ho vita izany, na hifarana aza ny fotoam-piasan’ny mpitondra an’izao Repoblika fahefatra izao. Ny tena maha lasa ny fisainana, ary mila hampitahotra mihitsy aza, dia ilay voalaza tery aloha hoe tsy nandrenesam-peo, na indraimbava aza, kanefa noahiahiana ka nosavaina ny tranony. Raha izany tokoa no fandehany, iza àry no hahazo antoka fa tsy ho tratran’izany fisavana trano fonenana izany any aoriana any ê ?...

Raha ny fandehany amin’izao mantsy dia tsy ny hoe mamoaka hevitra mitsikera ny fitondrana ihany no tratry ny antsojay, fa na ny mamerina izay nolazain’ny tany aloha, kanefa tsy voan’inona na inona tamin’izany. Samy nitsikera izao fitondrana Hvm izao noho ny fanjakan’ny kolikoly, ny fitondrana tsy tsara tantana, ny mpitandro ny filaminana manao herisetra, sy ny sisa… izay nahazo fitenenana teto, na vahiny, nateratany mpanao pôlitika… fa ny tsyfantatra dia ny hoe iza no mahazo manao izany ary iza no tsy afaka…

Mila mitandrina, araka izany, ny olom-pirenena malagasy, na eo amin’ny aloakan’ny vavany izany na koa izay soratan’ny tanany. Ny antony dia satria misy ny sokajin’olona tsy azo kitihina eto amin’ity tany sy fanjakana ity, ary misy ny iandrasana kendritohana fotsiny, indrindra moa ireo nanananana fifandraisana tamin’ny mpitondran’ny tetezamita. Mba mahagaga ihany anefa ny amin’izany, satria fantatry ny rehetra fa mpifandray tamin’ny tetezamita, ary misy mpitondra tao anatiny mihitsy aza amin’ireo eo amin’ny fanjakana amin’izao fotoana izao ireo. Ny nanao inona tao amin’ny tetezamita àry no lasa fahavalon’ireo mpitondra ankehitriny ireo ê? Mipetraka ihany koa ny fanontaniana satria raha ny fahafantarana dia saika ireo akaiky sy nanampy an-dry zareo ireo tamin’ny nakany fanjakana ireto voahenjika amin’izao fotoana izao ireo, ary ny “nifanandrina” tamin’izany fotoana izany anefa toa manana mpikambana ao amin’ny governemanta ao.

Tsy hohalavaina indray ny resaka sao ka “hanahirana” eto fa dia hofehezina amin’ny hoe mila mitandrina ianao Ramalagasy. Tandremo sao tsy mahafehy ny teny ka hamoaka hevitra fa dia ho “ambony ambany” ny ao an-tokantranonao ao ê.

Mila mitandrina an !

Lalou