Tsy mahaketraka mihitsy ny manipika fa isan’ny lafin-draharaha mampanahirana ny vahoaka amin’izao fotoana, ary efa somary naharitraritra ihany, ity resaka fizaka-manana tany ity. Matetika no ianjadian’ny jadona sy ny voka-dratsin’ny tsikombakomba maloto mbamin’ny kolikoly ny olom-pirenena tsotra.

Vao nanaovanay lahatsoratra teto tamin’ny herin’ny androany talata, ohatra, ny zava-misy any amin’iny distrikan’i Manjakandriana iny, izay miseho ao amin’ny kaominin’Ambatolaona, hatrany amin’ny manodidina an’i Mandraka any.

Ny fitarainan’ny vahoaka na ny fokonolona no notaterinay teto, taorian’ny fanadihadiana natao tany an-toerana, nefa dia sahin’ny tompon’andraikitra misahana ny fananan-tany any no mandrahona anay hoe « hotoriana izahay ».

Ny resaka fitoriana aloha dia an’izay manan-kambara ho amin’izany ny manao an’izany fa izahay dia tsy hitsahatra ny tsy hitatitra ny fitarainan’ny fokonolona e !

Tranga iray mampametra-panontaniana amin’ity tontolon’ny fizaka-manana tany ity mantsy ny fanararaotam-pahefana ataon’ny tompon’andraikitra.

Rehefa te hanararaotra hanodina ny tanim-panjakana eo ambany fiadidiany ho any amin’ny tombontsoany manokana ny tompon’andraikitra sasany dia lalaoviny ny tso-dahy sy tso-bavy any ambanivohitra any.

Ohatra amin’izany ny fametrahana fepetra maroloha mba hiandrandrana ny fisintahan’ny fokonolona tsy hiroso amin’ny fikarakarana, dia holazaina avy eo izy ireny fa « efa nomena fotoana hikarakarany ny taratasy fa ry zareo mihitsy no tsy te hahalala ».

Ampandoavin’ny tompon’andraikitra volabe isan-karazany kosa ny fokonolona nefa tambanivohitra tsy manana hianteherana. Dia sahin’ny tompon’andraikitra sasany amin’ity raharaha fizaka-manana tany ity ny milaza hoe « amidio ny ampahan-tany nohajarianao sy nomaintisinareo molaly mba hoenti-miatrika ny fikarakarana azy ara-panjakana ». Dia tatazan’ny tompon’andraikitra ara-panjakana fotsiny.

Isan’ny fepetra mihatra sy karazan’ny mijadona amin’ny fokonolona any Ambatolaona mantsy, ohatra, ny fampandoavana vola 25.000 Fmg ho saran’ny fahazoana sarin-tany, miampy 350.000 Fmg ho sandan’ny fandrefesan-tany sy sakafon’ny mpandrefy tany. Ny filohan’ny filankevitry ny tanàna koa tsy maintsy omen’ny isam-baravarana 25.000 Fmg. Ny any amin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany mitaky 175.000 Fmg. Sandaina ho 277.000 Fmg ny tany 1 Ha, ankoatry ny filazana hoe « hoenti-manana ny kojakoja madinika isan-karazany » (fourniture), izay mahatratra hatrany amin’ny 150.000 Fmg any

Ny mpandrefy tany koa dia omena solon-tsolika 50.000 Fmg.

Tanim-panjakana ireo nohajarian’ny fokonolona sy nomaintisiny molaly ireo, izay tokony nandraisana fepetra faobe mba homena titra faobe. Raha izay no dingana narahina dia nentanina ny fokonolona ary tokony ho maimaim-poana ny fikarakarana rehetra satria ny fitondram-panjakana no efa manome sehatra ny fanoratana ny tany ho an’izay manamaintimolaly azy, nefa ny any amin’ny rafitra antanan-tohitry ny fitantanan-draharaha isan’ambaratongany any manararaotra ny tsy fahalalan’ny fokonolona any ambanivoitra any.

Tsy mahagaga raha tonga ny fotoana tokony hikarakarana ny taratasy sy ny dingana takian’ny fanoratana, raha zara fa ny ampahatelon’ny fokonolona no tonga satria izay no nahita ny hoenti-manefa ireo karazam-bola nampandoavina ireo.

Raha toa ange izany ka averina mivantana amin’ny fanjakana ny tany, na efa voajary na tsia, ka zaraina amin’ny fokonolona eny ifotony , dia azo antoka, raha ny ao amin’ny kaominin’Ambatolaona manokana, fa hahazo 1 Ha isam-pianakaviana ny any an-toerana e !

Ka inona moa ny faty antoky ny fanjakana raha manome baiko na toromarika ny sampan-draharaha isan’ambaratonga ny fitondrana foibe dia manentana ny rehetra ho amin’izany, satria fanoitran’ny fahafahana mampandroso ny firenena ny fahatsapan’ny fokonolona fa tena misoratra amin’ny anarany ka tsy azo esorina aminy intsony ny tany nohajariany. Ireo miseho ho mahitahita kosa na ireo tompon’ny tany nefa tsy niraharaha izany ampolon-taonany maro, dia omena alalana kosa mba hifampiraharaha amin’ny fokonolona fa tsy hanao jadona na hampihorohoro ny fokonolona. Ny fokonolona eo an-toerana dia mahafantatra ny tompon’ny tany eny amin’ny manodidina azy, na tsy mbola voasoratra ara-panjakana aza (« commune renommé », hoy ny fitenenana). Ho haingana sy hilamina malaky ity olana amin’ny fizaka-manana tany ity raha miainga eny anivon’ny fokonolona ny fanadihadiana momba ny fanoratana ireny tany tsy mbola manan-tompo ireny, ary ho voasoroka haingana koa ny kolikoly miseho lany amin’io lafin-draharaha iray io mbamin’ny endri-panararaotana ataon’ny tompon’andraikitra sasany.

Hatramin’ny fanararaotana nataon’ny tompon’andraiki-panjakana sasany any an-toerana nanodina ny tanin’olona izay efa vita titra sy baorina ho lasa fanana-dry zalahy na anaovany afera ambadika no nitranga, ary sahin-dry zalahy ny mikarakara ny taratasin’izy ireny any amin’ny kaomina hafa, toy ny any Ambohibary, ohatra, fa tsy nataony tao Ambatolaona.

Oniversite Fianarantsoa: Manjaka ny kolikoly ataon’ny « scolarité »

Mitaraina izay tsy izy ny mpianatra ao amin’ny oniversite ao Andrainjato ao Fianarantsoa ankehitriny noho ny kolikoly izay ataon’ny ao amin’ny sampan-draharahan’ny fampianarana na ny « scolarité ». Ny olona ao amin’ity sampan-draharaha ity no manodinkodina ny naotin’ny mpianatra ka mitarika tsy fanjarina be ao amin’ny vokatra amin’ny fanadinana. Amin’izao fotoana izao dia mpianatra ao amin’ny sampam-pampianarana fitantanan-draharaha sy ny toe-karena no tena mitaraina mafy. Mpianatra maro no voatery namadika ny antontan-taratasy makasika ny fanadinana izay nataony satria dia naoty tsy mifanaraka amin’ny vokatra nomen’ny mpampianatra azy no adikan’ireo mpandraharaha ireo amin’ny bileta. Misy ny mahazo naoty 10/20 nefa dia 00/20 no apetrak’ireo mpiasa ireo. Santionany amin’ny tranga miseho ireo. Vokatr’izany dia voatery mamerina taona iray indray ny mpianatra tratran’izany. Misy indray anefa olona tsy mahazo naoty tsara fa ambanin’ny 10/20 no omen’ireo mpikirakira ny naotin’ny mpianatra ireo ka miakatra kilasy. Ny loharanom-baovao azo dia manambara fa izany no fomba fikaraman’ireo mpiasa ao amin’ny “scolarité” ao amin’ny oniversite ao Fianarantsoa ireo tao anatin’ny taona vitsy izay. Tsy ny sokajin’ny fandraharahana sy ny ekonomia ihany no itrangan’izao raharaha izao fa saika ny ny sampana rehetra. Izay manome vola ireo mpandraharaha ireo no voalaza fa omeny naoty tsara hahafahany miakatra kilasy. Vokatr’izany ankehitriny dia misy ny lisitra voalohany dia miseho ny olana dia avoaka indray ny lisitra faharoa ary misy hatrany amin’ny lisitra faha telo. Io no tena kendren’ny mpiasa ireto hahazoany manao kolikoly izao. Nanana ny lazany ny oniversite ao Fianarantsoa teo aloha teo nefa dia izao misy manimba izao. Raha toa ka nitazona ny sangany tamin’ny fifaninanana tamin’ireo fidirana ho mpiasam-panjakana teo aloha ity Oniversite ity dia efa tsy nahatazona izany intsony izy ankehitriny noho io raharaha io. Tsy ny mahakasika ny naoty irery ihany no itrangan’ny risoriso sy ny kolikoly ao amin’ity oniversite ity ankehitriny fa amin’ny famoahana an-tontan-taratasy isan-karazany izay ilain’ny mpianatra koa. Tsy mivoaka ny taratasy raha tsy mandoa vola ny mpianatra ankehitriny. Raha maka ny naoty ny mpianatra iray dia misy iray taona mahery vao omen’ny ao amin’ny” scolarité” ity izany. Manana sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly ny eto Fianarantsoa ka tokony hijery akaiky ity raharaha ity satria maro ny mpianatra no mitaraina amin’ny ataon’ireo mpandraharaha ireo. Ny olona toa izao no tena fahavalom-pirenena ka tokony ho fongorina mafy.

J.B.