Toa ny fanaony isaky ny roa taona dia nikarakara hetsika fitadiavam-bola ny sekolin’ny masera Sainte Marie eto Farafangana ka ny zoma ka hatramin’ny alahady lasa teo no nanatontosana izany. Nosantarina tamin’ny « carnaval »manodidina ny tanàna ny hetsika ny zoma 27 may lasa teo ka nandray anjara tamin’izany ireo mpianatra , samy nanao izay paozy eritreretiny ireo mpianatra ka nahavariana ny nahita azy ireo ny andro koa moa tsara ka mba nisy nojerena nandaniana andro ny olona. Ny sabotsy 28 may kosa no fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika sady nanokafana ny varotra fampiratiana izay nokendrena hivarotana entana momba ny fankalazana ny fetin’ny reny, tsy nahitana fahombiazana loatra anefa satria avy ny orana ka tsy afaka niriaria ny olona. Feno hipoka kosa ny folakandron’ny alahady 29 may fotoana nanaovana ny fisarihana ny tombola izay nahitana loka goavana toa ny omby, « scoter », « panneau solaire » sy ny maro hafa koa. Nisy tokoa ny nitsikian’ny vintana satria olona iray no nahazo ny siny sy ny kidoro matevina, maro koa anefa ny niala maina fa fomba-javatra izany. Ny talen-tsekoly masera Chantal sy ny solotenan’ny komitin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra dia tsy nanadino nisaotra ireo izay nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ka nahalavorary izao hetsika fitadiavam-bola izao ho fanamafisana ny kitapombolan’ny sekoly isan’izany ny mpianatra, ny mpampianatra, ny mpandraharaha ao an-tsekoly, ireo mahalala tanana nanome ireo loka ary ny ray aman-drenin’ny mpianatra tsy ankanavaka. Tsy nahasakana ny olona ho avy maro ny fiavian’ny orana sy ny atsiaka mamirifiry, tsapa vintana sy fialam-boly no sady fanaovana asa soa moa no natao ka samy afapo ny rehetra satria samy mahalala fa ireo manam-bintana ihany no mahazo ny loka. Hoan’ireo izay mbola tsy nahazo ny lokany dia afaka mandalo ao amin’ny sekoly haka izany ato anatin’ny tapa-bolana.

Morasata Marc