Tato ho ato izao dia zary resahina sy ambentin-dresaky ny sokajin’olona sasany ny hoe « tsy mety ny manongam-panjakana ». Talohaloha dia ny hoe « tokony hiandry ny fotoam-pifidianana izay te hitondra fa tsy hanakorontan-dava ».

Ny antony mahatonga ny sokajin’olona mivoy an’izany hevitra izany dia tsotra. Mahina amin’ny ratsy ataony ry zalahy ka ny fiarovan-tenany no alefany mialoha. Mpitondra mitaintain-dava toa sahobakaka ambody riana dia miahiahy ny rehetra fa toa hanongana azy amin’ny toerany isaky ny masoandro miiratra. Dia sasaina ny saim-bahoaka ary pempoina fa « hiverina toy ny tamin’ny fotoanan’ny tetezamita teo ve ny fiainantsika satria voasazy teo amin’ny sehatra iraisampirenena ange isika noho ny fanonganam-panjakana nitranga teto e ? »

Izahay tsy hiady hevitra hoe « tsara sa ratsy ny fanonganam-panjakana » fa ny tianay havoitra kosa dia hoe « raha tsy misy sazy mety hampiharin’ny fianakaviambe iraisampirenena ve izany dia tsy maninona raha mifanongana eto isaky ny mihetsika isika ? »

Etsy ankilany, izay tahotra ny fianakaviambe iraisampirenena izay indrindra no fositra teto amin’ny tany sy ny firenena ary tokony hifandresen-dahatra fa tsy hifampatahotra isanandro eto ny amin’izany.

Ny sazy atahorana avy amin’ny fianakaviambe iraisampirenena ange ka ny hoe «tsy mahazo famatsiam-bola» e !

Ny momba an’io dia tiana ny manipika fa « fa ampolon-taonany maro isika teto no nahazo famatsiam-bola avy amin’ny fianakaviambe iraisampirenena hatrany, nampivelatra ny fiainantsika vahoaka ve izany ary nampandroso sy nampiroborobo ny toekarem-pirenentsika ve? Izahay dia sahy milaza fa ny vola avy amin’ny fianakaviambe iraisampirenena nomena antsika no fanoitra voalohan’ny fampahantrana antsika toa izao sy nahatonga ny toekarem-pirenentsika ho potika toa izao. Tsy mahamenatra anay ny miventy izany. Izany koa no mbola mahatonga ny toe-tsaintsika hiankin-doha lava amin’ny any ivelany ka na olona avy any ivelany mandroba ny harenantsika aza dia ivavahantsika satria te hahazo vola avy any isika.

Tsy tokony hadinointsika anefa fa ny harena misy eto amintsika dia azontsika ianteherana tsara, ary sambatra aza isika nomen-janahary an’ireo harena tsy hita pesipesenina ireo, fa ny finiavan’ny mpitondra antsika mihitsy no tsy ao.

Raha hiverenantsika kely fotsiny ny lanjan’ny volantsika malagasy teto dia ho gaga angamba ny tanora amin’izao fotoana raha ilazana fa tany ambadiky ny 45 taona tany ange ka ny 1 Farantsa malagasy dia natakalo 2 Farantsa frantsay e !

Izany hoe nanana ny lanjany ny vola malagasy tamin’izany. Fa nahoana àry amin’izao fotoana no vidiantsika hatrany amin’ny 3.400 ariary ny 1 Euro ? Satria izay ilay fiankinantsika loha amin’ny fianakaviambe iraisampirenena. Ny mpamatsy vola avy any ivelany no nibaiko ny mpitondra teto mba hampihena na hampitotongana mihitsy ny sandan’ny vola malagasy.

Mety hisy indray hilaza hoe « ka tokony nampihazakazaka ny fiakaran’ny fihariana teto ange izany satria ny entana aondrantsika mankany ampita dia tokony hanaka-danitra ny vidiny e ! » Mety misy fahamarinany izany satria tany amin’ny 20 taona lasa tany, fony vao nampiharina ny politikan’ny fampitsingevahevana ny sandan’ny vola malagasy (Flottement) dia faly ny tantsaha mpamboly kafe tamin’iny faritra atsimo atsinanana iny satria nidangana be ny vidin’ny kafe avy any amin-dry zareo noho io fitsingevahevan’ny sandam-bola malagasy io, izay tena nampitotongana ny lanjany aloha, na tiana na tsy tiana e !

Ny tsy tsapan’ny mpitondra sy ny olona maro anefa dia namotika ny toekarem-pirenena izany satria ilay mpamboly kafe dia tsy maintsy mividy kojakojam-piainana andavanandro (PPN) izay ny ankamaroan’izy ireo tsy maintsy nafarantsika avy any ivelany (menaka, siramamy, lamba…) Ilay volabe niditra tamin’ny mpamboly kafe, lasa tsy nisy vidiny rehefa niantsena nividy an’ireo kojakaoja andavanadro izy.

Nisy fihatraikany tamin’ny orin’asa indostrialy teto izany satria izy ireny koa tsy maintsy nanafatra akora fototra na kojakoja amin’ny orin’asany tany ampita, kanefa ny tsy fananan’ny mpanjifa teto an-toerana ny fahafaha-mividy dia tsy nahafahan’ny mpandraharaha nanondrotra ny vidin’entana novokariny koa. Dia nifampitohitohy tamin’ny sehatra maro izany ka izao iarahantsika miaina izao ny voka-dratsiny.

Etsy ankilany, ilay harem-pirenena izay tokony ho fototry ny fahazoantsika vola hoenti-miatrika ny fampitaovana sy ny fananganana fotodrafitrasa na fikarakarana ny sosialy isan-tokony (fitsaboana sy fampianarana…) ary tokony hanohanana ny seha-pamokarana isan-karazany, nitsikombakomban’ny mpitondra tamin’ireo mpampiasa vola avy any ivelany mpandroba harena.Tsy nisy vokany teo amin’ny fanarenana ny tanànan’Andriamena sy i Madagasikara amin’ny ankapobeny ange, ohatra, ny kraoma nivoaka nandritra ny 50 Taona mahery avy any e ! Mba inona no nentin’ny volamena an-taoniny isan-taona mivoaka eto ? Ny safira sy vatosoa sarobidy maro ? Hatramin’ireo nambara fa tetik’asa goavana amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany eto tato anatin’ny 10 taona eo izao ?

Ireny harem-pirenentsika ireny anefa no tokony ho fanoitran’ny tsy hiankinantsika loha amin’ny any ivelany, ka tsy hahatahorantsika ny tsy hisian’ny famatsiam-bola. Izay no lasa biby fampitahorana antsika eto dia anararaotan’ny mitana ny fahefam-panjakana hamoretana antsika sy hanjakazakazana ary hangoronan-karena eto satria hoe « tsy azo atao ny manongam-panjakana ». Azafady kosa aloha fa rehefa hita fototra sy voaporofo ve fa mpitondra mpanao rapa-dango (predateur) sy mpandroba harem-pirenena , mpanodinkodina volam-panjakana, mpanao « kidnapping », mpivarotra tanindrazana, mpanakenda ny fivelaran’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, mpanao jadona, tsy manaja ny fahalalahana demokratika, manitsakitsaka ny tany tan-dalàna, sy ny sisa, dia andrasana fotsiny hahatsiaro tena eto fa hoe « tokony hametra-pialana » ? Azafady fa tsy toetran’ny vahoaka malagasy sy ny vahoaka voageja izany.

Ralay