Notokanana omaly tany Befandriana Atsimo ao amin’ny distrikan’i Morombe ny tetezana mampifandray ny lalampirenena faha-9 sy faha-55, mipaka any Manja sy Morondava iny. Ny filohampirenena Rajaonarimampianina mihitsy no tonga tany an-toerana nanome voninahitra sy nitarika ny lanonam-pitokanana.
Amin’ny vanim-potoana fitokanana fotodrafitrasa toa ireny moa no ifampiresahan’ny mpitondra foibe amin’ny vahoaka koa, ary mitana anjara-toerana goavana amin’izany ny olom-boafidy toy ny solombavambahoaka.
Maro ny hetahetan’ny vahoaka nampitondrainy ny depiote, nefa norarana tsy nahazo nandray fitenenana ny solombavambahoakan’i Morombe. Ny antony aloha dia tsotra. Satria tsy miray vala politika amin’ny Hvm ilay olom-boafidy.
Ny filohampirenena anefa nanao angoan-tenda sy karazana kabary tsy valiana tany an-toerana, ary zary namatrapatratra aoka izany ny sokajin’olona tsy mitovy fomba fijery ara-politika amin-dry zareo mpitondra. Mety ho isan’ny voatsindrona tamin’izany ny solombavambahoakan’i Morombe.
Saingy na ahoana na ahoana, tokony ho fepetra hajaina amin’ny arofenitra amin’ny lanonana toa ireny ny mampandray fitenenana ny solombavambahoaka amin’ny maha-olom-boafidy azy. Anjaran’ny filohampirenena ny mamaly an’izay resaka eo satria miteny farany rahateo amin’ny lanonam-panjakana toa ireny ny filohampirenena.
Ny fahitan’ny vahoaka any an-toerana ny raharaha aloha, satria nisy tamin’ireo mponina no niantso anay mpanao gazety avy hatrany teo anoloan’ny tranga toa ireny dia hoe « izahay vahoaka mihitsy no notampenan’ny filohampirenena vava taty amin’ny faritra misy anay satria sambany mandalo aty aminay ny filoha nefa tsy navela hiloa-bava tamin’ny alalan’ny depiotenay izahay ».
Nivaky mihitsy ny mponina fa « mahalasa fisainana anay aty ambany ravinkazo aty raha izany fihetsika izany no ataon’ny filohampirenena sy ny mpiara-miasa akaiky aminy , ka tsy mahagaga raha toa ka tsy ahitam-pahombiazana ny raharaha ambara fa tanterahin’izy ireo ». Ny antony, araka ny fanampim-panazavan’ireo mponina ihany dia hoe « satria na ny feonay vahoaka aza toa tsy tonga ara-dalàna any, ary voaporofo tamin’ireny lanonana androany (miantso ny omaly) ireny izany, satria lanonana imasom-bahoaka aza, sahin-dry zalahy ny manampim-bava ny solombavanay vahoaka, ka ny feo sy hafatra ampitaina, an-taratasy, mankany an-dapa ve tsy eny andalatsara dia efa alefan’ny sasany any anaty fanariam-pako ? »
Eo anoloan’izany tranga izany dia tsotra ny tsoa-kevitra azo avoitra : « Fitondrana matahotra feom-bahoaka, ka tsy mahita afitsoka afa-tsy ny manampempo ny ambanilanitra sy mampihorohoro ny mpiray tanindrazana amin’ny alalan’ny fanamparam-pahefana sy fampiasana herim-pamoretana. »
Fa inona no fiheveran’ny fiadidiana ny repoblika ny olom-boafidy toy ny depiote ?
Faralahy