Omaly talata faha 31 may 2016 no natao ny fifidianana izay ho solotenan’ny antenimierampirenena ao amin’ny mpanolotsaina ambony ho fiarovana ny demôkrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), izay rafim-panjakana manokana hiady amin’ny fanamparam-pahefana ataon’ny fanjakana amin’ny tsy fanajana ny demôkrasia na ny fanjakam-bahoaka. Hoan’ny firenena rehetra mandala sy manaiky ny rafitra demôkratika sy ny fahalalahana miteny sy mamoaka hevitra ary ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izay antokin’ny fahalalahana eran-tany no anton’izany. Voatery tsy maintsy nanangana io rafitra io ny fanjakana mba hilazana fa mandala izany demôkrasia izany ny firenena Malagasy. Nofidina omaly ny mpikambana iray tokana avy ao amin’ny antenimierampirenena hisolo tena ity andrim-panjakana ity ao anatin’ny rafitra ity. Misy olona 7 no nilatsaka ka nisafidianan’ny depiote. Ny jeneraly avy ao amin’ny polisy nasionaly Rabetafika Fulgence izay efa misotro ronono no notohanan’ny antoko HVM (Hery vaovao hoan’i Madagasikara). Ny Mapar (Miaraka amin’i Prezidà Andry Rajoelina) dia nanolotra ny mpisolovava Rakotoson Haja. Misy ny olona tsotra dimy izay nilatsaka tamin’ny anaran’ny tenany manokana dia ingahy Mahasimana Manantsoa administratera sivily misotro ronono koa, sady minisitry ny atitany teo aloha, Ralaivoahangy Jaona Andriamampandry, izay mpampianatra amin’ny oniversite, ramatoa Norosoa Jeanne Françoise Mariette izay mpampianatra “allemand”, Andrianjakatiana Hubert Yves izay mpanaramaso ny PAMF any Analavory Itasy, ary Razafindralahy Géorges Nestor izay “inspecteur de trésor”. Samy olona ivelan’ny depiote avokoa izy rehetra ireo. Toa ny fifidianana rehetra dia nanao fampielezan-kevitra teo anatrehan’ny depiote izy rehetra ireo omaly hariva. Rehefa natao ny latsabato dia nahazo isa 44 tamin’ny mpifidy 89 ny manamboninahitra tao amin’ny polisy teo aloha Rabetafika Fulgence izay kandida ny HVM. Nanaraka azy tamin’ny isa 40 ny kandidan’ny Mapar, ny mpisolovava Rakotoson Haja. Ny minisitra teo aloha Masimana Manantsoa dia nahazo vato 4, izay narahan’i Razafindralahy Géorges Nestor tamin’ny isa iray. Ny ambiny sisa dia tsy nitoko. Arak’izany dia ingahy Rabetafika Fulgence izany no lanin’ny solombavambahoaka hisolon-tena azy, ary ho mpikambana ao amin’ny HCDDED ity.

Ny fanontaniana mipetraka amin’ny maro dia ny ho fomba fiasan’ity rafitra ity izay hiankinan’ny demôkrasia eto Madagasikara. Raha toa ka tsy hahatapaka ahitra toa ny Bianco ( birao mahaleon-tena hiady amin’ny kolikoly) sy ny Samfin na ny (sampan-draharaha mahaleontena miady amin’ny famotsiam-bola sy ny asa fampihorohoroana), izay rafitra misy amin’izao fotoana izao, ka teren’ny rafitra iraisam-pirenena fotsiny ny fisiany, dia fombafomba ihany no hisy amin’ity HCDDED ity toa ireo roa voalaza ireo satria tsy arakaraka ny asa andrasan’ny vahoaka aminy no ataony. Lasa fitaovan’ny fanjakana fotsiny ihany izy ireo fa tsy arakarakin’ny asa tokony hataony. Dia miteraka olona hafa koa eto amin’ny firenena indray aza. Nahoana no ilazana fa avy hatrany fa tsy mampanahy sy tsy azo antoka ny tena hiarovan’ireo olona voafidy ireo hiaro ny demôkrasia sy ny tany tan-dalàna. Ny antony voalohany dia eo amin’ny fomba fametrahana ny olona ao amin’ny rafitra. Misy ny mpikambana atolotrin’ny filohan’ny repoblika, misy koa ny atolotrin’ny HCC amin’ny alalan’ny fifidianana izay ataony,dia toa izany koa ny an’ny holafitrin’ny mpanao gazety sy ny fiombonan’ny fiaraha monina ary ny mpisolo vava. Ny fahitana ny olona izay lany hatramin’izao dia mpomba ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina avokoa. Omaly dia mbola ny HVM koa no lany. Izany rehetra izany no ilazana fa sarotra ny tsy hiarovan’ireo olona ireo ny fanjakana izay nampandany azy ka tena hipetrahan’ny demôkrasia marina eto Madagasikara. Manaraka izany dia sarotra ny hino fa hanana toen-tsaina demôkraty ny manamboninahitra ao amin’ny polisy. Tsy ingahy Fulgence Rabetafika no tiana ho lazaina amin’izany fa ny fahazarana tamin’ny asany nandritry ny androm-piainana dia natao hanana toe-tsaina demôkraty izany velively. Azo lazaina fa andrimpanjakana sarintsariny koa no hisy amin’ity HCDDED ity raha ny fahitana azy hatramin’izao aloha ka tsy hahasahana ny asany fa hiaro fanjakana fotsiny ihany. Tsy ny rafitra velively no asiana fanankianana eto na ny olona ao anatin’ny fa ny fomba entin’ny fanjakana mametraka ny olona ho amin’izany. Rehefa tsy voahaja ny demôkrasia dia mazava ho azy fa mampiasa ny fanjakana tsy refesi-mandidy na jadona ny mpitondra.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao

Magro Ankorondrano: Tsy noraisin’ny Antenimieran’ny varotra ny vola 15 millions ariary

Nanao valan-dresaka hoan’ny mpanao gazety tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina omaly talata faha 31 may 2016 ny tale jeneralin’ny orinasa Tiko sy ny mpisolovava azy. Mahakasika ny raharahan’ ny Magro Ankorondrano, izay nakanton’ny antenimieran’ny varotra tamin’ny herinandro iny no tena anton’ny fanambarana. Tsy nanaiky ny hanokafana ny trano fivarotana sy ny fampiasana ny toerana nisy ny Magro teo aloha ny antenimieran’ny varotra ity satria tsy nahaloa ny volany hofan-trano sy ny hofan-tany ny Magro. Manaraka izany dia tsy nahafeno ny fepetra nifanarahana intsony ity orinasa ity nanomboka tamin’ny taona 2009 ka hatramin’ny taona 2016 ity na dia nisy aza ny fifanarahana lavitr’ezaka. Tsy izany ihany fa ampangain’ny Magro ho misy ambadika politika avy amin’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina izay mitondra amin’izao fotoana izao koa ity raharaha ity. Mitaky fampiharana ny voalaza amin’ny tondrozotra amin’ny andininy faha 16 ireto olona ireto noho izany. Nanome ny vola tamin’ny alalan’ny taratasim-bola izay voalaza fa “15 millions” ariary hoan’ny antenimieran’ny varotra ny Magro ireto raha ny voalazan’ny tale jeneraliny hatrany ny alatsinainy faha 30 may 2016 lasa teo. Tsy nety nandray izany vola izany intsony anefa ny antenimieran’ny varotra ity. Tsy mahalala resaka hafa raha tsy ny hoe: miala tao amin’io toerana io ianareo ao amin’i Magro, ajanony ny asa io, ary avelao hianareo miandry ny birao vaovao. Niantsoany mpitandro filaminana ny Magro mba hiala tamin’ity toerana ity noho izany.

Raha ny zava misy nanomboka hatramin’ny taona 2001 sy 2002 izay voalazan’ny tondrozotra no asian-teny dia mba ahoana no hataon’ingahy Ravalomanana Marc izay nanimba zavatra be dia be teto amin’ny firenena ary tompon’ny orinasa Magro voalaza ity? Orinasa firy no simba tamin’ny fotoana iny? ary tsy misy tafarina amin’izao fotoana izao? Nangina tsy niteny ny olona sy mpitondra tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny dia mivadika any amin’ingahy Ravalomanana Marc ny zavatra nataony teto amin’ny firenena tamin’ireny fotoana ireny, dia manao angoan-teny izay tsy izy ny mpomba sy ny orinasany. Tamin’ireny fotoana ireny dia valy bontana no nataon’ingahy Ravalomanana Marc sy ny mpomba azy raha nangataka ny fampihavanam-pirenena ingahy Zafy Albert fa tsy misy niady teto ka tsy misy ilaina izany. Faty olona sy fanagadrana no nitranga fanampin’izany, ka ireo izay mpomba ny fanjakana Didier Ratsiraka ka tsy nofofoina ho faty dia nandositra nankany ivelany avokoa. Ankehitriny dia may volotratra ingahy Ravalomanana sy ny Magro ka mangataka ny fampiharana ny tondrozotra indray. Mahagaga ny filazana ataon’ny mpomba ny Magro sy ny Ravalomanana Marc fa raharaha politika no fonosin’ity tsy fanokafana ny Magro ankorondrano ity. Iza moa no tsy mahalala amin’ny Malagasy fa nisy fanararaotam-pahefana nataon’ny Magro sy ingahy Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2002-2009? Izany dia teo amin’ny sehatrin’ny politika sy ny toe-karena. Ny vokatrin’ny rafitra nataon’ingahy Ravalomanana Marc tamin’ny andro nitondrany ihany no ampiasain’ingahy Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana izao, izay tsy iza fa olona mpiara miasa aminy akaiky dia akaiky ka tsy tokony hifanome tsiny ireo olona roa ireo izy. Raha toa ka miziriziry amin’ny heviny tsy manaiky ny hisokafan’ny Magro Ankorondrano ve ny antenimieran’ny varotra dia sanatria ho voavidin’ingahy Hery Rajaonarimapianina indray. Ny antenimieran’ny varotra dia tsy manao politika ka matoa izy ireo tsy manaiky ny hipetrahan’ity orin’asa ity eo amin’ity toerana ity dia ao ny antony. Samy mpandraharaha ny resaka eto ka aoka tsy hampidirina politika satria tsy antoko velively ny antenimieran’ny varotra, ary azo inoana fa ny mpikambana ao amin’ity sehatra ity dia mbola misy naman’ingahy Ravalomanana Marc hatramin’izao.