Omaly talata faha 31 may 2016 maraina dia nandray ny sendikan’ny mpiasan’ny Air Madagascar sy ny Sekrima avy ao amin’ny Jirama ny birao maharitra ny Antenimieran-doholona izay no tarihin’ny filohany Honoré Rakotomanana. Mahakasika ny olana misy amin’ireo orinasam-panjakana ireo no votoanton’ny fihaonana tamin’izany. Ny an’ny sendikan’ny Air Mad dia manampy izany ny momba ny fandroahana ireo mpiasa nitarika ny fitakiana tao amin’ity orinasa ity ka tsy naverin’ny Air Mad hiasa intsony. Ny mpisolovava ny sendika sy ireo mpiasa noroahina ireo dia ingahy Razafinjatovo Willy na Olala no nitarika izany. Tao anatin’ny ora roa latsaka no nihaonan’ny roa tonta.
Teo amin’ny fihaonan’ny sendika Sekrima avy ao amin’ny Jirama, izay notarihin’ny filohany Willy Clarettis indray dia mahakasika ny hoavin’ity orinasa Jirama ity no nentin’ireto olona ireto tamin’izany. Voalazan’izy ireo fa atahorana mafy ny ho avin’ity Jirama ity noho ny fitantanana nataony ny fanjakana mifanesy teo aloha ary mbola mitohy hatramin’izao izany. Ankehitriny aza dia mbola miharatsy be dia be izany.Tsy mbola nisy hoy ireto Sekrima ireto olona mividy zavatra iray 1000 ariary ka hivarotra izany ho 500 ariary indray amin’ny mpanjifa azy. Ny mpanambola mampiasa ny fitaovany ao izay hofain’ny Jirama no mahazo ny tombony mihoampampana hoy ihany ny filazana. Raha mitohy izao dia tsy maintsy potika ity orinasa ity. Tsy afaka hiditra ao amin’ny fifaninana izay nolazain’ny praiminisitra Mahafaly Olivier Solonandrasana teny amin’ny FIM (foara iraisam-pirenena Malagasy) tamin’ny herinandro lasa teo iny ny jirama raha amin’izao toerana misy azy amin’izao fotoana izao hoy ihany ireto solontenan’ny mpiasa ao amin’ny jirama ireto. Raha adika ny tian’ireto sendika ny Sekrima ireto dia tsy azo antenaina intsony ny hoavin’ny orinasa Jirama ity atsy hoa atsy.
Azo lazaina fa ao anatin’ny olana tanteraka ny orinasa Jirama sy ny Air Mad amin’izao fotoana izao. Mitovy tsy misy valaka ny zavamisy eo amin’ny roa tonta. Samy tsy voavahan’ny governemanta izay mpiahy azy ny olana misy. Nandeha tao amin’ny birao maharitra ny antenimierandoholona izy ireo mba hilaza ny tena zavamisy tsy vitan’ny fanjakana io ka mety hisian’ny faharavan’ireo orinasa ireo. Ny antenimirandoholona nefa dia azo lazaina fa tsy ho afaka hitondra vahaolana velively amin’izany satria tsy manana andraikitra amin’izany velively. Fitarainana fa ho fitarainana fotsiny no nataon’ny sendika roa ireo fa sarotra no hinoana fa afaka hamaha izany olana izany ingahy Honoré Rakotomanana sy ny tariny. Marikin’ny tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena eto amintsika ny zavatra nisy omaly teny Anosy iny. Kiribiby sisa no ataon’ny fanjakana amin’ny fitantanana ny raharam-pirenena fa efa mikatso tanteraka izany ankehitriny. Rah mitohy izao dia hihanaka anyamin’ny sehatra hafa ka ho lasa mahantra avokoa ny vahoaka Malagasy rehetra ankoatran’ny mpitondra fanjakana ambony ihany.
J.B.