Omaly alarobia faha 01 jona 2016 dia nanao fitokonana ny mpitatitra ao amin’ny lalàm-pirenena faha-5, izay miainga avy ao Toamasina ka hatrany Soanieranivongo. Tsy nisy nitatitra ny fiarakodia mpitondra olona tamin’ireo toerana ireo noho ny faharatsian’ny làlana ity. Efa tsy azo andehanana intsony ny làlana hoy ireto mpitatitra ka mitarika fahasimbana amin’ny fiara sy ny fahatarana. Raha ny làlana tokony hatao 45 minitra dia lasa adiny roa na telo ora hoan’ny fiara somary ivaiva sy ny mavesatra. Tsy izay ihany fa misy koa ny fangalana haba amin’ny taratasy maro samy hafa izay takian’ny fanjakana amin’ny mpitatitra. Eny an-dàlana dia mbola mafy koa ny afitsokin’ny polisy sy ny zandary amin’ny fisavana ka anoran’ ireo mpitatitra ireo. Milaza ireto mpitatitra ireto fa tsy raharahan’ny fanjakana mihitsy ity faritra ity. Efa ho taona roa mahery teo no nampanantenaina fa hamboarina io làlana io nefa dia tsy mbola nokasihina hatramin’izao. Tsy arakarakan’ny fangalana ny haba amin’izy ireo hoy ihany ny mpitatitra ny fanamboarana ny làlana any amin’ity toerana ity.

Tsy ny any amin’ny làlam-pirenena faha-5 ihany anefa no mieritreritra hanao fitokonana toa izao manerana an’i Madagasikara. Fomba filazana amin’ny fanjakana ihany izao zavatra misy any Toamasina izao fa tsy mandeha mihitsy ny fanarenana ny làlana eto Madagasikara. Enga anie ka hataon’ny fanjakana haingana ny fandraisana andraikitra amin’ny fanamboarana ity làlana ity toa ny fanamboarana ny làlana mankeny Ambohipo sy Andohan’i Mandroseza izay nitokonan’ny mponina teo iny ka tao anatin’ny 24 ora dia nanomboka ny fanamboarana. Izay mitokona ihany amin’izao fotoana izao no ampian’ny fanjakana.

Jesy Rabelaolao

Teny Malagasy: Hatao lalàna ny fampiharana azy any ampianarana

Haverin’ingahy Hery Rjaonarimampianina amin’ny fanagasiana ny fampianarana indray ny zaza Malagasy. Isan’ny navoatrany tamin’ny fanokafana ny iray volana hoan’ny teny Malagasy tetsy amin’ny Akademia Malagasy tetsy Tsimbazaza izany omaly alarobia faha 01 jona 2016. Tamin’io fotoana io koa no nankalazana ny faha 150 taonan’ny gazety Malagasy. Hiverina any amin’ny taona 1972 indray izany ny fampianarana Malagasy amin’ny fanagasiana ity. Ingahy Manandafy Rakotonirina sy pastera Andriamanjato Richard izay isan’ny lehibe ny fitakiana ny teny Malagasy ity hatao any an-tsekoly ka nahatonga ny fanagasiana ny fampianarana. Natsangana tamin’izany fotoana izany ny komitim-pirenena handinika ny fanatanterahana ity fanagasiana ny fampianarana ity. Hatrany amin’ny taona nitondran’ingahy Ratsiraka Didier dia mbola nahazo vahana ny hevitra izany ka mbola lanin’ny mpikambana tao amin’ny filankevitrin’ny tolom-piavotana tamin’izany fotoana izany ho antokin’ny fampianarana eto Madagasikara. Isan’ny nahatonga ity fanagasiana ity ny tsy fitiavana ny fandaharam-pampianarana tamin’ny teny Frantsay tamin’ny andro ny fanjanahantany sy repoblika voalohany, ka noheverina fa mbola endrikin’ny maha zanantany an’i Madagasikara hatrany. Tsy dia nifankahazo loatra anefa ny teknisianina Malagasy momban’ny foto-kevitra io ka lasa niteraka olana teto amin’ny fampianarana hoan’ny zaza Malagasy izany ka nampidina ny lanjan’ny fampianarana. Tamin’izany no nampalaza ny antsoina hoe “miiba” sy ny “miabo”, ny “aotra” raha milaza ny “zero” , ny EPP dia novaina ho “ sekoly fanabeazana fototra” sy ny sisa sy ny sisa… Tsy tonga tany amin’ny farany ny fametrahana ny voambolana hoentina mampianatra amin’ny voambolana teknika frantsay entina mampianatra tamin’izany ka hatramin’izao ka niteraka olana koa. Na dia nanana politika sy sori-dalàna amin’ny fampianarana mazava tsara ny fanjakana Malagasy tamin’izany fotoana izany, dia azo lazaina fa nampidina ny lanjan’ny fampianarana teto Madagasikara raha ampitahaina amin’ny fampianarana nisy tamin’ny repoblika voalohany izany. Na dia niroborobo izay tsy izy aza ny fampianarana tany ambanivohitra rehetra manerana an’i Madagasikara, dia niavaka ihany ireo izay nanaraka ny fandaharam-pampianarana tamin’ny endrika tamin’ny repoblika voalohany. Nanomboka teo dia niala tamin’ny sekolim-panjakana ny zanakin’ny manambola sy ny manan-katao ka nampianarina tany amin’ny sekoly misiona sy ny tsy miakina ary ireo sekoly vazaha.

Dia mametraka fanontaniana amin’ingahy Hery Rajaonari-mampianina indray ankehitriny ny vahoaka Malagasy amin’ny fanambarana nataony omaly tetsy amin’ny Akademia malagasy Malagasy tetsy Tsimbazaza momba ny filazany fa hampidirina ho lalàna ary halefa any amin’ny antenimierampirenena ny fanagasiana ny fampianarana ka hampiharana ny teny Malagasy indray ho enti mampianatra ? Izany ve no tena olana amin’ny fampianarana amin’izao fotoana izao sa zavatra hafa ? Sao dia mba entanin’ny fahitana ireo manampahaizana Malagasy ao amin’ny akademia Malagasy ity ihany ny tenany ka miteniteny foana indray? Ny fampianarana no antokin’ny hoavin’ny firenena iray ka tsy azo raisina maika toa ny nataony omaly ireny. Iarahan-tsika mahalala fa mbola ao anatin’ny fandinihana tanteraka ny mahakasika ny fanatsarana ny fampianarana ny komity ny fanabeazana eto Madagasikara (CNE). Teknisianina mahay sy za-draharaha avokoa izy ireo ka avelao aloha izy ireo no hilaza ny vokatrin’ny fandinihany mba hahafahana hanatsara ny tontolon’ny fampianarana amin’izao fotoana izao. Hita sy tsapa tamin’iny fitokanana omaly iny fa fitiavana te hisehoseho ihany ny an’ingahy Hery Rajaonarimampianina ka mety hanimba zavatra be indray.

J.B.