Habibiana tsy roa aman-tany indray no nihantra tamin’ny vehivavy iray teny Mahazoarivo omaly maraina.

Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay vehivavy satriarehefa vita ny filan-dratsin’ireo jiolahy dia notaperina tanteraka ny ainy.

Hagagana ny an’ireo manodidina raha nahita ny fatin’ilay zazavavy izay efa tsy misy akanjo intsony ny tapany ambany fa efa niboridana tanteraka omaly tokony ho tamin’ny valo ora maraina.

Raha ny fanamarihana nataon’ny dokotera dia rehefa vita ny nataon’ireo jiolahy dia notaperin’izy ireo ny ain’ilay vehivavy, ary olona mety mahafantatra azy ihany no ahiana ho nahavanon-doza.

Tonga nizaha ny razana teny amin’ny toerana nahitana ny fatin’ity vehivavy ity ny fianakavian’izy ireo, ary raha ny nambaran’ireto farany tamin’ny mpanao gazety dia tamin’ny dimy ora maraina izy no nialà tao an-trano izao tratry ny famonoana feno habibiana izao.

Tao anatin’ny volana vitsivitsy dia maromaro ny fitarainana noho ny tsy fandriaham-pahalemana voarain’ny mpitandro ny filaminana amin’iny faritra iny ka maro amin’ireo olona no tsy sahy mandeha maraimbe intsony noho ny tahotra ny ainy.

Mitaraina manokana ho an’ireo mpitandro ny filaminana ny mponina manodidina mba hanao fisafoana fa efa mandady ny trambon’ireo jiolahy.

A.M.

Fahasalamana: Feno 6 volana ny hopitaly St Claire ao Talata Andraikiba

Hopitaly an’i fiangonana katolika, eo ambany fitondran’ny fikambanana fransiskanina ity hopitaly ity ary eo amin’ny fokontany Andraikiba no misy azy. Marihina fa tonga taty an-toerana ny filohan’ny Repoblika mivady, nitokana sy namatsy fitaovana sy fanafody ity hopitaly ity, 6 volana izay. 7 kilometatra avy eo Antsirabe voalohany no misy an’i Talata Andraikiba misy ny hopitaly. Fa natao indrindra indrindra ho an’ny vahoaka sahirana izy ity, misy fihatsarana ankapobeny ary misokatra isan’andro 1600 hatramin’izao no marary voazaha ary 9 ireo vehivavy tonga niteraka tao. Manala fahasahiranana ny vahoaka hatrany amin’ny manodidina ny fisian’ity hopitaly ity fa hatramin’izao dia makeny Antsirabe ny marary sy mpiteraka.

Abel Ratsimbazafy