Nanaiky ho mpiahy ny hetsika rehetra hoenti-manamarika ny iray volan’ny teny malagasy mandritra ity volana jona ity ny filohampirenena Rajaonarimampianina, ary tonga teny amin’ny foiben’ny Akademiam-pirenena malagasy momba ny teny eny Tsimbazaza mihitsy moa izy omaly nanome voninahitra ny lanonam-panokafana an’io Iray volan’ny teny malagasy io. Tamin’ny lahateny nataony no nanindriany fa « halefa hakana ny fankatoavan’ny parlemanta ny rijan-teny mandrafitra ny politikam-pirenena momba ny teny. Ho tafiditra ao anatin’izany avy eo ny famaritana ny teny hoenti-mampianatra, hoy ny ako omaly. Zava-dehibe ho an’ny fampivoarana ny firenena ny famaritana toa izany, indrindra fa ny fananana politikam-pirenena momba ny teny. Ny tsinjo anefa aloha hatreto dia ny fitondram-panjakana mihitsy no tsy manana finiavana hanome lanja izany politikam-pirenena momba ny teny izany. Nahoana, angaha, hoy ianao ? Tsy misy manaja ny voalazan’ny lalampanorenana akory ny manam-pahefana ara-panjakana isan’ambaratonga. Ny lalampanorenana mantsy dia milaza fa « ny teny malagasy no tenim-pirenena eto ». Na tsy mbola misy lalàna mamaritra ny antsoina hoe « politikam-pirenena momba ny teny » aza eto, noho izany, dia mavesa-danja ny voalazan’ny lalampanorenana aloha kanefa ny hita dia tsy hajain’ny mpitondra ary ianaran’ny rehetra koa ny tsy fanajana azy. Ny taratasim-panjakana rehetra, ny taratasim-pitsarana rehetra, sy ny sisa dia mbola amin’ny teny vahiny hatrany, nefa hoe « ny teny malagasy no tenim-pirenena ». Ny 98%-n’ny malagasy anefa tsy mahay afa-tsy ny teny malagasy. Etsy ankilany, raha ny sehatra ara-toekarena sy ny tontolon’ny fampandrosoana indray no asian-teny dia tena diso fiantefa ny fiankohofantsika malagasy amin’ny teny frantsay. Ekena fa io no tenin’ny mpanjanaka teto, ary havanana kokoa isika mampiasa ny teny frantsay eo amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany, saingy mibaribary fa tsy manana finiavana hibanjina ny tena fampandrosoana azo antoka ny mpitondra fanjakana. Nahoana, angaha, hoy ianao ? Satria zovy no tsy mahafantatra fa ny teny anglisy no tena maro mpampiasa maneran-tany ary io no fanoitran’ny fampandrosoana, nefa dia tsy hita loatra izay finiavan’ny fitondram-panjakana hanome vahana azy io, ankoatry ny fanabeazam-boho ny teny malagasy. Ankoatry ny teny anglisy dia manomboka maka toerana maneran-tany koa ny teny sinoa satria miely patrana eran’izao tontolo izao ny sinoa ankehitriny.
Ka ny lahanteny nampodimandry nataon’ny filohampirenena Rajaonarimampianina omaly teny amin’ny Akademiam-pirenena teny Tsimbazaza dia mbola tafiditra ao anatin’ny fianakaviamben’ny fampanantenana poak’aty fanaon’ny filohampirenena, ary izany no mahatonga anay hilaza hoe « lokanga tsy atao ka mahabe voatavo ». Ny antony dia angoan-tenda fotsiny sy fampanantenana fa « hanao lokanga » nefa tsy hita akory izay eo. Ny voatavo hanaovana azy no lambolamboina sy dokadokafana fotsiny eo.
Faralahy