Miteraka resabe eo anivon’ny miaramila sy ny zandary ankehitriny ny raharaha Lylison Réné de Rolland, izay senatera voafidy tany amin’ny faritanin’i Mahajanga. Mahakasika ny fanehoan-kevitra izay nataon’ity senatera, sady kolonely niato amin’ny asany ity tamin’ny filazany fa hatao tanàna maty Antananarivo herinandro mahery kely izay, ary koa ny filazany ny zavatra tsy mety rehetra ataon’ny fanjakana amin’izao fotoana izao, ary ny famakiana batsilana ny kolikoly sy ny risoriso avo lenta izay mitranga amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana amin’izao fotoana izao. Nanomboka tamin’ny herinandro lasa iny dia nosavaina ny tranon’ingahy senatera Lylison ity teny Andohan’i Mandroseza. Miaramila avy amin’ny foloalin-dahy izay voatendry ao amin’ny Emmo/Nat, izay miisa hatrany amin’ny 300 no tonga teny amin’ity toerana ity tamin’ny alarobia faha 25 may 2016 tamin’ny 5 ora maraina sy sasany. Hatramin’izao dia mbola misy Emmo/Reg foana miambina eo amin’ity toerana ity andro aman’alina. Nitondra taratasy avy any amin’ny fitsarana ny amin’ny ahazoana manao izany ireto miaramila ireto. Tsy hita izay nanjavonan’ny colonel Lylison, nanomboka teo satria voalaza tamin’io fotoana io koa araka ny tenin’ny fianakaviany fa rehefa niditra tao amin’ity trano misy azy ity ireo miaramila ireo dia nanao hoe “ misy olona tadiavinay ato”. Raha izay no vakiana dia sady hisambotra izany ireto miaramila ireto no hisava ny trano. Nanomboka teo dia nivoatra ny raharaha satria nisy koa ny olona hafa izay nosavaina ny tranony toa an’ingahy Mamy Ravatomanga, Franck Le Grand, ary hatramin’ingahy Omer Beriziky koa dia voalaza fa ho savaina. Mandeha dia mandeha ny resaka ankehitriny fa hisy ny fisamborana an’ingahy Lylison Réné de Rolland ankehitriny, ka efa misy didy fampisamborana indray hono. Fa isan’ny resaka be amin’ity raharaha ity ny fisehoan’ny minisitrin’ny foloalindahy Beni Xavier tao amin’ny fahitalavitra iray tsy miankina teto Antananarivo tamin’ny alarobia faha 1jona 2016. Nanambara ity mpikambana ao amin’ny governemanta ity fa efa misy fanapahan-kevitra horaisina amin’ny raharahan’i Lylison ka hisy famaizana amin’izany. Nanambara koa ity minisitra ao amin’ny foloalindahy ity fa tsy ilaina ny fanonganam-panjakana. Teo indrindra no nahabe resaka teo anivon’ny miaramila satria dia milaza ny miaramila izay tafaresaka taminay, izay manamboninahitra iray avy eny amin’ny RFI fa tamin’ny andron’ingahy Andry Nirina Rajoelina izay filohan’ny tetezamita teo aloha ary nanongana an’ingahy Ravalomanana Marc, no nahazoan’ny minisitra Beni Xavier ny grady maha Jeneraly azy hoy ity manamboninahitra ity. Miaramila iray hafa koa no milaza fa ny zanakin’ny jeneraly koa anie ka efatra no lasa tany amin’ny akademia miaramila ho mpianatra ho mananamboninahitra tamin’iny fotoana iny, ka nahoana no ataony hoe ratsy ny fanonganam-pahefana ? Raha toa ka tsy nisy ny fanonganam-panjakana iny hoy ity miaramila ity dia tsy ho lasa minisitrin’ny fiarovana velively izy. Sa ve rehefa nahazo toerana dia hadino ny natao teo aloha noho ny fiaraovana izany ? Ady hevitra io omaly ka izany no antony ilazainay fa mikorontana ny eo anivon’ny foloalindahy sy ny tafika noho ny raharahan’ny Lylison ity. Teo amin’ny famaranana ny ady hevitra nifanaovana tamin’ireo miaramila ireo dia izao no tenin’izy ireo: “ aza hadino fa miaramila i Lylison, ka tongo-bakivaky ity raharaha ity ka sady mahamenatra anay no mampalahelo”. Tsy anjaran’ny minisitrin’ny fiarovana hoy izy ireo no tokony hamoaka iny fitenena tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iny fa aoka ho anjaran’ny fitsarana sy ny antenimierandoholona izany.
Miteraka ady hevitra be tokoa ity raharaha ity ankehitriny, asa izay hiafarany satria dia miandry ny famoahana ny fisamborana an’i Lylison izany ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Te hahalala marina ny antony hisamborana azy sy ny heloka nataony.Ingahy Honoré Rakotomanana moa dia tsy mahasahy milaza marina na hisy ny fanesorana ny “tombon-jo tsy azo kitikitihana” na ny “immunité parlementaire” izay ananan’ity senatera ity, fa arirarirany.
Tantara mitohy ity raharaha ity satria maro ny miaramila no mimenomenona amin’izao fotoana izao raha tsy hilaza afa-tsy ny fametrahana ny CEMGAM teny Ivato farany teo isika izay nampiseho fihetsika hafahafa ny miaramila manamboninahitra sasantsasany raha nanao kabary ingahy Hery Rajaonarimampianina, ka tsy nihaino azy mihitsy.
JB