12 volana ngarangidina taty aorian’ny nivoahan’ny didy avy amin’ny Filankevi-panjakana, izay nanome rariny an’ireo mpitarika ny sendikan’ny mpiasan’ny Air Madagascar, izay midika avy hatrany koa ho famerenana azy ireo amin’ny asa nandroahina azy ireo, dia tsy mbola nampiharin’ny tale jeneralin’ny Air Madagascar izany.
Nitaky ny fampiharana an’io didim-pitsarana io hatrany izy efatra mirahalahy niara-voaroaka teo anivon’ny Air Mad, dia ny hamerenana azy ireo amin’ny asany izany. Tsy nahoan’ny mpitantana ny Air Mad amin’ny alalan’ilay tale jeneraly teratany kanadiana izany. Mahazo aina rahateo izy satria ny mpitondra fanjakana mihitsy no toa manosika azy tsy hampihatra io didim-pitsarana io.
Nataon-dry Rado Rabarilala avokoa izay hetsika rehetra hanairana ny fahatsiarovan-tenan’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Air Mad sy ao anivon’ny fitondrana Foibe, satria mbola orin’asam-panjakana ny Air Mad hatramin’izao, fa tsy nisy vokany.
Ny mpikambana ao amin’ny Birao Maharitry ny Antenimierandoholona no nifampiresaka farany tamin’izy efatra mirahalahy ny talata teo, ka nanehoan’ny tetsy Anosikely ny fahavononan’izy ireo hikaroka vahaolana momba io raharaha io.
Misy fetrany ny zavatra rehetra, hoy i Rado Rabarilala, ka rehefa tonga izay fetra tsy azo andeferana intsony izay dia hiroso handray andraikitra izahay. Nambarany moa fa efa nanantona ny tompon’andraikitra sasany eo anivon’ny Air Mad ny tenany ka nampahanfantatra azy ireny fa “ho avy hampihatra avy hatrany ny didim-pitsarana ny tenako ka hiverina hiasa ary handray ny seha-piasako amin’ny maha-mpanamory fiaramanidina ny tenako eo anivon’ny Air Madagascar, ary vonona ny hizaka ny vokatr’izany”. Hitondra vadin-tany sy mpiaro mpisolovava ahy aho amin’izay fotoana izay, hoy izy, ary eo imasonareo mpanao gazety no handraisako ny asako, ka ho hitantsika eo raha hosakanana aho na hosamborina, fa efa mivonona aho satria hitondra ny entan-keliko, raha misy izany fisamborana izany.
Tena ara-bakinteny ange izany ilay hoe “misotro ny aleoko maty” e !
Ka efa samy hijaly ihany kosa, satria efa tsy omena karama, ka tsy aleo mba ny toe-tsaina mandala ny rariny nefa tsy manaiky lembenana amin’ny zon’ny tena no hahazoan’ny tena fahafaham-po anaty, farafaharatsiny? Mety ho avy amin’izany koa no hiposahan’ny tara-pahazavana hanaisotra ny Air Mad ao amin’izao toerana namotehan’ny sasany azy izao, rehefa lasa fanoitran’ny hetsi-bahoaka ilay “fisotroana ny aleoko maty”.
Raha tsy nisy tokoa ange ny fanapahan-kevitry ny zoky ray amandreny Tia tanindrazana fahiny, izay nanolo-tena niady ho an’ny fanafaham-pirenena, azo antoka fa mbola mafy lavitra noho izao no ho nanjo antsika vokatry ny nataon’ny mpanjanatany e!
Faralahy